Politique

Ramarosonarivo Jeanson Tsy niala tamin-dRavalomanana ny MFM na tsy nomeny toerana aza


  • Alarobia 29 Febroary 2012

Ny Tim no nanilikilika anay fa tsy ny prezidà Ravalomanana. Badolahy ny MFM ary nohenjehina fa mbola nanohana an-dRavalomanana foana na dia tsy nomeny toerana aza.

 Izay hevitra naposakay sy nodradradradrain’ny mpanao politika dia notanterahan-dRavalomanana avokoa toy ny fanamboaran-dalana, famoriana mpanao politika, fanokafana orinasa maro hiasan’ny vahoaka … ka inona no ialana aminy ? Isika tsy manan-karena fa manana otrikarena ka raha tsy misy olona mitrandraka mivantana ireo harena ankibon’ny tanintsika ireo dia toy ny mangetaheta ambony lakana ihany isika. Fa ny filoha Marc Ravalomanana dia sahy. Tsy mbola nisy izany filoham-panajakana neken’izao tontolo izao nilaza hoe : 97%-n’ ny ankizy tokony ho any am-pianarana no nampidirina tany daholo (tamin’ny andron’ny filoha Ravalomanana izany) satria ny olona dia nilaza fa hoe tsy misy fotony fa Ravalomanana fotsiny no nanao politika te ho lany dia nomeny aron’akanjo, nomena kitapo, nomena stylo.

Fa rehefa nanao fitsidiham-paritra tany ambanivohitra tany izahay dia izao no tenin’ny olona hoe : “Prezida, teneno i Manandafy tsy handao an-dRavalomanana sy tsy hanary azy fa matetika anie izy mpandravarava ê ! Fa tamin’ity izy tsy nandrava an-dRavalo. Fa izahay mila an’i Manandafy sy Ravalomanana miara-miasa fa mila miverina aty ny akanjo, mila miverina aty ny kitapo fa ny zanakay izao efa tsy mandeha an-dakilasy intsony fa rovitra ny akanjo ary efa potika ny kitapo. Ny lalana nolazaina fa tsy azo hanina dia tena hita fa nanavotra ny toerana lavitra andriana tamin’ny fahasahiranana fa tafakatra ambony ny vidim-bokatry ny tantsaha. Nampiroboroboany ny fifandraisana an-telefaonina nentina nanenjehana dahalo.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT