Nilamina fahizay ny tany Melaky tamin’ny taona 2010 ka hatramin’ny 2013 rehefa nampiharana ny Dinan’i Foara. Mirongatra indray ankehitriny ny vono olona sy halatra omby ary asan-jiolahy samihafa any Morafenobe sy Maintirano ary Antsalova, hoy ny solombavambahoakan’Antsalova Ramarolahy Maurice. Manjaka ihany koa any an-toerana ny kolikoly. Fantatra moa fa nisy nitory i Foara tany amin’ireo toerana nitondrany ilay dina ka misy didy fampisamborana azy mandehandeha any. Manambara anefa ny depiote Ramarolahy Maurice fa mamaky ady amin-dry zareo any Melaky ny fanjakana amin’ny fampisamborana an’i Foara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.