Politique

Ramarokoto Julien Fidinahary Ilana fifandeferana ny famahana ny krizy


  • Alarobia 07 Septambra 2011

Naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena sy nanome soso-kevitra hialana amin’ny krizy eto amitsika Ramarokoto Julien Fidinahary, mpanolotsaina ao amin’ny antoko TGV, efa talen’ny kabinetran’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena teo aloha.

 Amin’ny maha mpanara-baovao politika sy amin’ny maha zanak’i Fisakàna azy no nilazany fa «ny diniky ny samy Malagasy ihany no mahavaha ny olana misy eto Madagasikara ary tsy sarotra ny mamaha ny krizy raha mifandefitra ireo mpanao politika isan-tokony”. Samy manana ny fomba fijeriny ny toe-draharaha misy eto ny tsirairay, hoy izy fa ny fanesorana ny Vahoaka ao amin’ny fahantrana izao no tokony ho laharam-pahamehana. Na izany aza dia naniry ny hivahan’ny krizy haingana Ramarokoto Julien Fidinahary hisian’ny fanovana sy fampandrosoana tena izy. Mikasika ny fampandrosoana ny Distrikan’i Fandriana manokana dia nanao antso avo amin’ireo zanaka ampielezana terak’i Fisakàna ny tenany mba hitodi-doha hamelomaso ny Agnarandray ka hiara-kifanome tanana hampandroso ny Distrika. Mbola olana iainan’ny vahoakan’i Fandriana hatramin’izao ny tsy fisian’ireo orinasa noho ny tsy fahalavorarian’ny herinaratra satria tsy mandeha 24 ora amin’ny 24 ora ny jiro hatramin’izao ankoatra ny lafiny fahasalamana sy ny fotodrafitrasa efa antitra.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT