Ramanjakamiadana Hery Jacques no kandidan'ny Antoko Tiako I Madagasikara na ny TIM ao Betioky Atsimo.
"Soa ty filongoa fa tsy drala" no teny fanevany, izay adika tsotsotra amin’ny hoe: soa sy zava-dehibe kokoa ny resaka fihavanana sy fiombonana noho ny resa-bola. Vonona tanteraka hiatrika ny fifidianana Atoa Ramanjakamiadana Hery Jacques, izay tsy hatoro voanjo adiana amin’ny sehatry ny politika. Tsy mba nivadika tamin’ny TIM fa niara-nisedra ny mamy sy ny mangidy tao anatin’izany, indrindra fa nanomboka tamin’ny raharaha 2009. Tsy handraraka ilo mby an-doha ny fitokisana napatraka taminy hitondra ny lokon’ny TIM izy. Miisa 3 moa ny kandida ao Betioky Atsimo ka anisan’izany ny minisitra teo aloha, sady efa depiote tao an-toerana Rabenirina Jean Jacques (Isika rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina).
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.