Politique

Ramandehamanana Richard “Mila mpitondra teny isika hamahana ny krizy”


  • Zoma 26 Aogositra 2011

"Tsy ilaina intsony ary hita fa tsy nahomby ny fifampiresahana mivantana tamin’ireo mpanelanelana vahiny amin’ny famahana ny olana eto Madagasikara”, hoy ny lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro, Ramandehamanana Richard.

 Ny mety amintsika dia ny fisian’ny mpitondra teny avy amin’ny Vondrona Iraisam-pirenena hanatanteraka io fanelanelanana io, hoy izy. Araka ny fanampim-panazavana nomeny ihany dia hanelanelana antsika sy ireo mpanelanelana ihany koa no ilana azy ireo, izany hoe mba misy fanamarinana izay resaka natao tamin’ireo ampifandraisina. Olana napetrak’ireo mpanelanelana ankehitriny mantsy, hoy ity Lehiben’ny Faritra ity, no antony mety tsy hahatontosa ny fifidianana kasaina hatao amin’ity taona ity.

Nanindry mafy anefa Atoa Ramandehamanana Richard, fa tokony ho nisy ary hisy ny fifidianana. Mikasika ilay vola 90 tapitrisa natolotra ny Faritra hanatanterahana fotodrafitrasa amin’ireo Kaominina isanisany kosa dia nanazava ny tenany fa hifanarahana araka ny laharam-pahamehana ny ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro iadidiany ary iarahan’izy ireo mandrafitra ny tena mahamaika amin’izany. Ny faritra no fantatra fa tompon’andraikitra voalohany amin’ny fitantanana mazava lavitry ny kolikoly ity famatsiam-bola hampandrosoana ny eny ifotony ity.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT