Tia Tanindrazana(TT) : Mateti-pitranga ny lozam-pifamoivoizana na an-tanety io na an-dalamby na an-dranomasina izay amoizana ain’olona hatrany. Inona no fepetra efa noraisin’ny ministera tantaninao ?
Ramanantsoa Benjamina (RB) : Tamin’ny volana janoary lasa teo dia nisy ny fivoriana nanasana ireo tomponandraikitra rehetra isaky ny seha-pitaterana niaraka tamin’ireo sampandraharaha miankina amin’ny ministera izay notontosaina tany Toamasina. Lahadinika tamin’izany ny famoahana drafitra momba ny filaminana sy fandriampahalemana amin’ny fitaterana an-dranomasina, an-dranomamy, ana habakabaka ary an-tanety. Efa hivoaka ato ho ato ny drafitrasa nasionaly momba ny filaminana amin’ny tontolon’ny fitaterana vokatr’izany ka hanana fandaharanasa hentitra avy ny sehatra tsirairay. Marihiko fa ny tsy fanajana ny fenitra momba ny filaminana “normes de sécurité” sy ny faneren’ny vahoaka no tena mahatonga ny loza any amin’ny faritra avaratra atsinanana mankany Maroantsetra sy Mananara Avaratra iny. Noho ny haratsian’ny lalana mankany dia ny sambo no mahavonjy ny olona rehefa hiampita ranomasina mnakany Sainte Marie miala eo Soanierana Ivongo, ohatra, saingy maro ireo sambo mandika lalàna. Tsy manana fahazoan-dalana hitondra mpandeha akory ry zareo nefa manao izany. Vao nisy sambo efatra izao sarona noho io fandikan-dalàna io, telo herinandro lasa izay. Ny toe-javatra toy izany mihitsy no mahatonga iny faritra iny ho lasa fasana an-dranomasina “cimetière marin”. Ankoatra izay dia azo lazaina ho tsy mahatanteraka ny andraikiny ny sampandraharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina (APMF) noho ny tsy fananany ny “système de gestion prédictive”. Tokony ho efa fantatry ny APMF mialoha anefa ireo fari-dranomasina tsy azon’ny sambo aleha satria masiaka ny rano.
TT : Mandrapiandry ireo drafitra isaky ny sehatra ireo, inona no vahaolana efa ampiharinareo hisorohana ny loza ?
RB : Noterena ireo sampandraharaha isan-tokony hametraka ilay “système de gestion prédictive”. Anisan’ny fampiharana azy eo amin’ny fitaterana an-tanety ny fananganana ny “cellule de remise aux normes” izay fitaovana ampelatanan’ny Antokondraharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) hikajy ireo faritra mena amin’ny lalam-pirenena faha-7 ahafahana manoro ireo mpamily ireo toerana matetika itrangan’ny loza sy ny fisorohana azy. Misy koa ny fepetra hafa efa ampiharina toy ny fisian’ny mpamily roa isaky ny fiara mpitatitra mandeha lavitra sy ny tsy maintsy hakan’ireny mpamily ireny aina. Ny tiako hotsipihina dia izay fepetra rehetra raisinay dia natao ho tombontsoan’ny mpandeha sy fiarovana ny ainy avokoa. Momba ny fitaterana an-dranomasina indray dia noferana hatramin’ny 12 antoandro ny fiampitana any Sainte Marie miainga ao Soanierana Ivongo sy ny mifanohitra amin’izay ankoatra ny fametrahana ivontoerana misahana ny vonjy aina an-dranomasina. Efa nalefa koa ny fangatahana famatsiam-bola momba ny fananganana fiantsonana vaovao ao Soanierana Ivongo. Toerana 4 no isafidianana hasiana azy io.
TT : Fa tsy vao niseho ve ireny loza namoizana ny minisitra Nadine ireny no natao izany “étude” izany no tsy mbola vita ?
RB: Efa nisy tokoa fa nohavaozina.
TT : Loza tsotra sa nikendrena hamonoana ny minisitra Nadine araka ny ambaran’ny fianakaviana Ramaroson tokoa iny zava-nitranga tao Soanierana Ivongo iny ?
RB: Azoko tsara ny alahelo sy fahatezerana mahazo ny fianakaviana manoloana ireny fahalasanan’Itompokovavy ireny saingy efa nivoaka ny valin’ny fanadihadiana savaranonando. Nampanao fanadihadiana «enquête nautique définitive» koa ny ministeran’ny fitaterana izay nanamafy ny valin’ilay fanadihadiana savaranonando, izany hoe ny tsy fanarahana ny fenitra momba ny fitaterana an-dranomasina no nahatonga ny loza.
TT : Midika ve izany fa «accident» ilay izy?
RB : «Accident».
TT : Aiza ho aiza indray izao ny fanitarana ny seranam-piaramanidina ao Nosy Be. Toa hoe tsy misy ny enti-manana ?
RB : Efa misy ny drafitra fanajariana io seranana io ahafahany mandray fiaramanidina vaventy Airbus A340 sy Boeing 777. Efa vonona koa ny laminasa momba izany ary efa voakajy koa ny totalin’ny vola ilaina. Ny olana dia ny tsy fisian’ny mpamatsy vola ka izay zakan’ny tetibola am-pelatanan’ny fanjakana no hatao. Nozaraina sokajy “tranche” ny asa noho izany ka ny sokajy voalohany dia ny fanalavana 60 metatra ny ampahandalana manivaka ampiantsonana “bretelle d’arrivée” sy ny “accotement” amin’ny piste mankany amin’ny fiantsonana. Mety manimba ny “réacteur”-n’ny fiaramanidina ny “accotement” raha tsy vita tsara satria mety hisy vatokely mipitika avy aminy. Efatra miliara Ariary ny tetibola ilaina amin’izany. Hanao ny fanaikana tolobidy tsy ho ela ny ADEMA izay mpitantana ny seranana ka heverina fa ho vita tsy ho ela io asa io, afaka efa-bolana eo ho eo farafahatarany.
TT : Inona ireo asa goavana hafa tsy maintsy iandrasana mpamatsy vola ?
RB : Ny fanamafisana ny tara sy ny fanitarana ny “piste” miaraka amin’ny toeram-piantsoanana.
TT : Inona no antony tsy anokafana tanteraka ny lanitr’i Gasikara “open sky” izay voalazan’ireo mpandraharaha nandritra ny tsenaben’ny fizahantany farany teo fa hampandroso haingana ny fizahantany?
RB : Misy fahadisoana ihany ny filazana momba ny “open sky”. Vao nitarika delegasiona tany Torkia ny tenako niatrika ny fihaonamben’ny Aviation Civile Tiorka sy Afrikana. Anisan’ny nivoitra tamin’izany ny fifanaraham-piaraha-miasa ana habakabaka miaraka amin-dry zareo. Ny resaka “open sky” izany dia io fifanaraham-piaraha-miasa ana habakabaka io no mifehy azy. Sady efa maro koa anie ireo kaompania miasa eto amintsika e. Ny tena zava-dehibe dia ilay fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena araka izay ampiharina amin’izao. Vokatry ny tsy fanatanterahana ny fanitsiana tamin’ireo teboka miisa 60 nokianin’ny OACI nandritra ny “audit” nataony tamin’ny taona 2008 noho ny tsy fanarahantsika ny fenitra “sécurité aérienne” dia tafiditra ao anaty listra MARB ny ACM “Aviation Civile de Madagascar” tamin’ny 2009. An-dalam-panarenana ireo lesoka ireo isika izao ary andrasana amin’ny faran’ity volana ity indray ny vokatry ny “audit” farany nataon’ny OACI.
TT : Nahoana no tsy mahazo misidina ivelan’i Madagasikara ireo kaompania madinika ?
RB : Marihina fa tsy sazy akory ny fepetra noraisina fa fampanarahana amin’ny laoniny ny “certification” nataontsika Malagasy iarahana amin’ny OACI. Maro mantsy ireo tsy fahatomombanana tsikaritra tamin’ny fanaovana “audit”. Mila manao “certification” vaovao indray izany ireo kaompania ireo. Maharitra anefa ny fotoana anatanterahana izany ka nomena fahazoan-dalàna manokana ireo kaompania manao “évacuation sanitaire” fa ny ambiny rehetra kosa dia tsy misy mahazo manatanteraka sidina mihazo ny faritra “vol régional”
TT : Miresaka fampanaraham-penitra foana ianao nefa ilay “Elatra” nofidiantsika aza simba lava ?
RB : Raha ny filazan’ny teknisiana dia “panne de routine” efa voatsinjo tamin’ny fifanarahana tamin’ny Air France ireny. Mifanaraka tsara amin’ny “business plan” nifanarahana amin’ny Air Mad ny fitrandrahana iny fiaramanidina iny satria manomboka miarina ny fidiram-bola. Ny resaka fikorontanan’ny sidina koa efa manomboka voafehin’ny Air Mad. Raha ny hevitro manokana indray izay mety tsy ho azon’ny olona dia : rehefa niasa nandritra ny fotoana lava ny fiaramadinina vao tena azo antoka, manoloana ny filazana fa efa antitra iny A340 iny.
TT : Mbola hiampy iray ilay A340. Inona no maha samy hafa azy amin’ny Elatra ?
RB : Efa voamarina fa ho avy amin’ny faran’ny volana jona izao io A340 faharoa io. Ny maha samy hafa azy dia efa “sous immatriculation” Malagasy izy fa tsy toy ilay teo aloha. Enjehantsika ho tratra amin’ity taona ity ihany ny fahafahana makany Eoropa.
TT : Izay kaompania niara-niasa tamin’ny Air France aty Afrika dia saika nateliny avokoa. Farany teo ny Air Côte d’Ivoire. Tsy hateliny koa ve ny Air Madagascar ?
RB : Afaka manome toky aho fa tsy hisy izany. Tsy mitombina izany ahiahy izany amin’io fiaraha-miasa io. Matanjaka be anie ny Kaompaniantsika amin’ny sidina anatiny e!
TT : Eo amin’ny tontolo politika. Hihaona Ravalomanana sy Rajoelina. Inona ny hevitry ny Escopol, vondrona misy ny antokonao ?
RB : Raha hamaha olana sy ahafahana mametraka fitoniana hirosoana amin’ny fifidianana dia tsy hitako izay olana.
TT : Ianareo Escopol dia nilaza fa tsy tokony hilatsaka ireo filoha telo teo aloha sy ny filohan’ny FAT. Sao tetika hanilihana ireo mpifanandrina aminareo izany satria manana kandida filoham-pirenena ianareo, anisan’izany ianareo MTS ?
RB : Ny Escopol no nilaza an’iny mba hilamina sy tsy hiteraka korontana intsony ny fifidianana eto amintsika. Misy antoko mandrafitra ny Escopol anefa tsy mametraka olana amin’ny filatsahan’izy ireo.
TT : Tsy mahatsiaro tena ho tomponandraikitra amin’izao fikatsoana izao ve ianareo ?
RB : Tomponantoka amin’ny tondrozotra ny Escopol ary hatrany am-piandohana dia efa nitady hametrahana ny fiaraha-mitantana amin’ny fitantanana ny Tetezamita. Mahahelo izahay raha misy ny fikatsoana. Izahay dia mihevitra fa tokony ho anatiny no miady hevitra fa maninona no mitady hivoaka amin’izany foana. Anisan’ny fototry ny olana koa ny adim-pahefana izay miverimberina foana hatramin’izao na tokony ho vahaolana aza izany.
TT : Marina ve fa misy minisitra mandray baiko mivantana amin-dRajoelina ao amin’ny governemanta ?
RB : Misy ireo mandray baiko avy amin’ny filoha mivantana fa misy koa ireo mandray baiko avy any amin’ny ankolafy misy azy.
TT : Mirongatra ny fitakiana sendikaly izao. Tsy efa “menace” ho an’ny fanjakana ve ireny ?
RB : Isaky ny mandalo tetezamita dia misy hatrany ny fitakiana ataon’ny sendika. Aoka hisafidy isika izay tena homena laharampahamehana fa tsy ho vitan’ny tetezamita avokoa ny hamaha azy ireny. Mety ho “menace” tokoa ilay izy rehefa trandrahan’ny mpanao politika politisiana.
TT : Tsy mihevitra hilefitra mihitsy ny mpomba ny filoha Ravalomanana momba ny Tiko Andranomanaletra izay hogiazina. Ny hevitrao ?
RB : Ny fampiharana ny lalàna dia tsy misy tombo sy hala. Raha ananan’ny fanjakana trosa ny Tiko dia tokony hanefa izany. Raha ny fahalalako azy kosa anefa dia misy ny fomba azo ifanarahana handoavana io trosa io.
TT : Farany tompoko, mety hilatsaka ho fidiana ve ianao?
RB : Ho hitantsika eo ny amin’izany.
Nangonin’i Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.