Anisan’ireo mpanao politika nifikitra mandrakariva tamin’ny antoko AREMA tarihin’ny Amiraly Didier Ratsiraka Atoa Ramanana René izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny serasera ao amin’ity antoko ity ankehitriny.
« Efa fony tanora, mbola mpianatra tao amin’ny Lycée Galliéni Andohalo ny tenako, hoy izy, dia efa resy lahatra tamin’ny firehan-kevitr’ity antoko ity ka izany no nandrisika ahy niditra tao amin’ny MAREMA tamin’ny fotoanandrony. Somary nilamina kely ny hetsiky ny antoko tamin’ny taona 1991-1992 noho ny resaka politika nefa dia niverina tamin’ny laoniny indray tamin’ny 1997 ary dia lany ho solombavambahoaka tamin’ny anaran’ny AREMA ny tenako tamin’ny taona 1998. Amiko dia naharesy lahatra ahy ny fananan’ny antoko AREMA vinam-piarahamonina tsara sy ny foto-kevitra matotra ananany ary izany no nijanonako ary mbola hijanonako hatrany eo anivony ity antoko ity mandrakariva. Marihiko fa ny foto-kevitry ny Boky Mena sy ny tetikasa ID 21 naelin’ny Amiraly Didier Ratsiraka ireo mbola arahan’ny mpanao politika Malagasy nandimby azy ireo na dia somary novana endrika kely monja aza. »
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.