Politique

Ramanana René Efa akaiky ilay fihaonana an-tampony


  • Alatsinainy 19 Desambra 2011

Io fifandiran’ny mpitsara sy ny polisy, taorian’ny raharaha Toliara, izay tsy ahitan’ny mpanatanteraka vahaolana mazava tao anatin’ny herinandro io, dia ampy hitsarana fa tsy mahazaka fanjakana i Andry Rajoelina, ka ny miala no mety aminy, hoy i Constant Raveloson raha naneho ny heviny manoloana ny zava-mitranga eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao.

 Olona samy notendren’i Andry Rajoelina na Razanamahasoa Christine, minisitry ny fitsarana na Rakotondrazaka Arsène, minisitry ny filaminana anatiny, koa mahagaga ihany raha tsy vitany ny mandray fanapahan-kevitra ny amin’ireo, hoy ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity mametra-panontaniana. Inona no hitranga manomboka anio raha havotsotry ny zandary sy ny polisy ireo jiolahy voasambony ary efa nahavitany fanadihadiana ka tokony hatolotra ny fitsarana, nefa tsy raisin’ity farany noho izao disadisa izao, ka manakatom-baravarana izy ireo ? Izay vao ho zava-doza satria tsy azo iainana ny fiarahamonina eto ! Nahitsy moa ny tenin’i Constant Raveloson nilaza fa tsy mahalamina fanjakana i Andry Rajoelina, koa dieny tsy mbola misavoritaka ny eto dia mety amin’ireo no miala.

Tsy hipetra-potsiny amin’izany koa izahay Parlemantera araka ny nambarany, satria efa samy mpitondra izao. Ary tsy hisy hanao fanomezana an’i Andry Rajoelina ny tetezamita iaraha-mitantana, raha izao zava-mitranga izao, hoy hatrany izy nanohy ny fanazavany. Karazana valinteny manoloana ny resaka mandeha fa tokony hiala anaty fitondrana ny olon’ny ankolafy Ravalomanana rehefa tsy voahaja ny tondrozotra, ity nataon’i Constant Raveloson. Raha ny zava-misy amin’izao dia ny tsy fahafehezan’i Andry Rajoelina ny fitondrana ny tany sy fanjakana no mibaribary, ka izy no tokony hiala.

Mikasika ny NOTAM nivoaka ny alakamisy teo, hanakanana ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana dia mametra-panontaniana izy ny amin’ny fahanginan’ny minisitry ny fitaterana manoloana izany. Tsy tokony hiandry fanontaniana fa manira-tena ingahy minisitra, hoy i Constant Raveloson, mitondra fanazavana. Avy aiza marina io NOTAM io ? Misy sa tsy misy ? Toa manao zinona ny tondrozotra izay vao navadika ho lalàna mantsy ny fisiany. Amin’ny maha ao anaty Parlemanta anay, hoy izy nanazava, dia manana adidy izahay hanao fanairana, sy mitaky fanazavana ary koa famaizana ny amin’ireo izay mitsivalam-pandry amin’ny fampiharana ny tondrozotra. Zava-dehibe ny fahatongavan’i Marius Fransman eto indray hifamarafarana ny amin’io tondrozotra io, satria misy manararaotra ny tsy mbola fisian’ny birao fifandraisan’ny SADC eto, izay voatondro hanara-maso ny fampiharana ny sori-dalana. Hihaona amin’ity lehiben’ny iraky ny Troika ity rahateo ny delegasiona avy amin’ny ankolafy Ravalomanana amin’ity anio ity.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT