Politique

Ramanana René Efa akaiky ilay fihaonana an-tampony


  • Alatsinainy 19 Desambra 2011

Tonga teto an-tanindrazana ny 24 novambra ny amiraly Didier Ratsiraka, ary nitodi-doha niverina tany Frantsa ny sabotsy 11 desambra lasa teo noho ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny vadiny izay tsy maintsy hatao any andafin’ny riaka.

 Niantso ny vahoaka Malagasy mba hanohana ny antsony ny amin’ny fihaonan’ny filoha efatra sy ireo mpanao politika sy izay mety ho manana traikefa amin’izany izy, hoy Atoa Ramanana René (AREMA), ka hatao eto an-drenivohitr’i Madagasikara araka ny tolo-keviny ihany izany. Tsy an’ny Amiraly akory ny fihaonana an-tampony, araka ny fanazavana azo, fa niantso sy nanome soso-kevitra fotsiny ihany izy. Antso izay miantefa amin’ireo Malagasy rehetra mahatsiaro ho tompon’andraikitra hiala amin’ny krizy mafy mianjady amin’ny firenena; ahitana ny vahaolana vokatry ny fifanarahan’ny samy Malagasy.

Na izany aza, anisan’ny mandray anjara ny tenany, ka hiverina eto an-tanindrazana tsy ho ela. Na dia eo aza ny tondrozotra dia maro ireo namaly ny antso ary nanao fanohanana ny tokony hanatanterahana ity fihaonana an-tampony ity. Efa mahatratra 842 ireo vondrona politika, fikambanana maro isan-karazany na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, ny sendika samihafa nanao sonia fanohanana io fihaonana io. Anisan’izany ohatra Atoa Mamy Rakotoarivelo filohan’ny delegasion’ny Ankolafy Ravalomanana, izay nanamafy fa ilaina hatrany ny fifampiresahana sy fifanakalozan-kevitra eto amin’ny firenena indrindra anatin’ny famahana olana toy izao ary nanambara fa tsy nisy mihitsy fifanakalozan-kevitry ny samy Malagasy. Ny ankolafy Zafy Albert, izay ny tenan’ny profesoara mihitsy no nanao Sonia ny taratasy fanohanana. Tao koa ireo mpanao politika. Mbola misokatra ho an’ny rehetra maniry hanao Sonia ny ao amin’ny gasyisikarehetra@gmail.com.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT