Politique

Ramanana René Angatahin’ny “FCA Avaradrano” ho kandida depiote


  • Zoma 15 Febroary 2019

Mpanao politika avy eny amin’iny faritra Avaradrano iny Atoa Ramanana René. Nangataka ny hiverenany hirotsaka ho kandida depioten’i Madagasikara hofidiana eny amin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano ny Klioba mpilalao baolina kitra “FCA Avaradrano”.

 Ankoatra ny maha mpanao politika azy rahateo, dia fantatra teo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena ihany koa izy, ka izay no angatahan’ireo avy amin’ny klioba mpiangaly ny baolina kitra eny Avadrano azy ho mpitondra ny hetahetan’ny vahoaka eny anivon’ny antenimieram-pirenena. Marihina fa efa filohan’ny Kliobana baolina kitra BKA (Baolina Kitra Avaradrano) izy tamin’ny fotoan’androny, ka nahatafakatra io ekipa io tao anatin’ny Divizionina voalohany tamin’izany. Amin’ny maha mpanao politika azy ihany koa anefa dia mpikambana amin’ny “Comité direteur AREMA”  izy. Hanaiky hirotsaka amin’ny anaran’ny Antoko AREMA ve izy ? Sa kosa andeha amin’ny anarany manokana na koa amin’ny antokon’ny fitondrana ?

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT