Politique

Ramamimampionona Gérard Noël “Tsy misy olona afaka manakana olona tsy hilatsaka”


  • Alarobia 22 Aogositra 2012

Tsy miova amin’ny heviny ny antoko TGV amin’ny ankapobeny raha tarafina amin’ny teny ataon’ny mpikambana ao aminy.

 Zava-dehibe foana ireny fihaonana any ivelany ireny, hoy ny CT Ramamimampionona Gérard Noël avy amin’ity antoko TGV ity, satria manambara foana sy ahafahana miaro ny fiandrianam-pirenena. Nisy nahalasa saina ihany anefa tany amin’iny fihaonana iny, hoy izy, dia ny hoe : maninona moa isika eto amin’ity firenentsika ity raha mba miteny ny marina satria ny marina ihany no maha-olona afaka ? Anisan’ny zava-dehibe voalaza foana, hoy ity CT ity ny hoe : fodian’Atoa Marc Ravalomanana. Aminay dia izao ihany : olona izy, Malagasy izy, manan-jo izy hody an-tanindrazana, tsy misy misakana izany.

Fa ho soan’ny firenena kosa ve raha mbola izao aza tsy misy filaminana ? Ka miandry filaminana izany ary mila dinihana miaraka izany hoe : misy 30 andro, 60 andro … Izany tsy midika avy hatrany hoe : mahazo miditra fotsiny izy, na koa hoe tsy mahazo miditra koa izy fa miara-midinika hoe efa mitarika filaminana ve ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ? Fa raha mbola korontana etsy, korontana eroa dia mbola manahirana izany. Ka rehefa tonga eto indray izy dia eo isika mahita hoe tanteraka ve ny andininy faha-20 amin’ny soridalana ? Fa mbola misy koa ny andininy faha-45 hoe misy zavatra nitsarana azy.

Ahoana koa ny fampiharana an’io rehefa tonga eto izy ? Mikasika ny filatsahan’Atoa Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana, na eo aza ny tsy fitovian-kevitra satria ny sasany milaza fa samy tsy misy milatsaka, ny hafa mifanohitra amin’izay dia izao ihany ny teninay hoe : “tsy misy olona afaka manakana olona tsy hilatsaka, fa ny lalàna ihany no afahan’ny olona milatsaka na tsy milatsaka. Izay no zava-dehibe fa tsy sanatria hoe misy vondrona iraisam-pirenena indray hipetraka eo ambonin’ny lalàna. Koa rehefa hoe afahan’ny fitsarana madiodio Atoa Marc Ravalomanana inona moa no olana ? Fa hatreto aloha izy aminay dia mbola meloka, tsy mbola afaka milatsaka. 

Manohy 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT