Politique

Ramalason Olga “Tokony hifandefitra sy hifamela isika”


  • Alakamisy 16 Aogositra 2012

Tsy mbola naharay ny fampahafantarana na “notification” ny tsy maha manankery intsony ny soniany amin’ny maha minisitra azy, ireo minisitra 5 avy amin’ny ankolafy Ravalomanana hatramin’ny talata lasa teo.

 Nilaza ny minisitry ny varotra Ramalason Olga fa tsy tokony ho tonga amin’izany ny raharaha satria vao mainka sakana amin’ny fialana amin’ny krizy ny fandraisana fanapahan-kevitra toy izany. Mihevitra ny tenany fa ny fivorian’ny SADC momba an’i Madagasikara manomboka rahampitso 17 sy 18 aogositra izao no tokony hobanjinina. «Aleo andrasana ampitoniana io fivoriana io ary tsy asiana fandranitana. Raha izahay aloha dia tsy hanao izany mihitsy», hoy izy. Mbola nalefany lavidavitra noho izay aza ny faniriana ny amin’ny tokony hisian’ny fifandeferana sy fifamelana ary ny fanatontosana ny fampihavanam-pirenena an-kitsim-po fa tsy sarintsariny ka hiandrasana ny any ivelany hatrany. Hatramin’izao dia manohy ny asany ara-dalàna ireo minisitry ny ankolafy Ravalomanana satria raha sanatria misy tokoa ny fepetra tsy mampanan-kery ny soniany intsony dia ny vahoaka no hiantefan’ny fahavoazana fa tsy izahay minisitra, araka ny fanazavan-dRtoa Ramalason Olga hatrany.

Mbola nanamafy koa ny tenany fa tsy sanatria miziriziry ry zareo fa mitaky kosa ny fampiharana an-tsakany sy an-davany ny tondrozotra izay hany lalana hivoahana anaty krizy. Anisan’ny notakian’ny ankolafy Ravalomanana saingy tsy mety tanteraka moa ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra ao amin’ny haino amanjerim-panjakana izay efa tsy azon’izy ireo fony mbola niasa ara-dalàna teo anivon’ny governemanta sy ny fanokafana ihany koa ireo haino amanjery nakaton’ny FAT. 

Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT