Politique

Ralitera Andrianandraina Tsy te ho anisan’ny mpiray tsikombakomba aho


  • Alakamisy 22 Desambra 2011

Tsy te ho anisan’ireo mpiray tsikombakomba amin’ny fitondrana tsy mahomby ankehitriny aho no tsy nanekeko niditra ho CST na CT na dia nangatahana ho atao tao anaty lisitry ny ankolafy iray aza, hoy Atoa Ralitera Andrianandraina zokiolona amin’ireo gadra politikan’ny raharaha 2009.

 Tsy nandiso ahy mihitsy ny eritreritro, hoy izy, fa efa miseho lany etsy sy eroa izany tsy fahombizan’ny mpitondra ankehitriny izany raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny tsy fivahan’ny olana misy eo amin’ny polisy sy ny mpitsara any Toliara isika, ny disadisa sy fitokonana lava eny amin’ny oniversitem-panjakana, ny fampitandremana ataon’ireo mpiasam-panjakana ambony, ny tsy fahandriam-pahalemana an-tanàna sy eny amin’ny lalam-pirenena isan-tsokajiny sns…

Tsy te hiray tsikombakomba amin’izany aho ! Ankoatra ny resaka « bois de rose » malaza dia heveriko fa halatra be vava eto amin’ny firenena ny fandoavam-bola be mihoam-pampana hoan’ireo olom-boatendry CST sy CT ankehitriny, hoy ihany Atoa Ralitera. Famitahana tsotsotra ara-tarehimarika no entina mampieritreritra ny vahoaka malagasy ka nilazany fa any Etazonia firenena matanjaka indrindra eran-tany manana ny harin-karena faobe 47283 dolara amerikana isan’olona isan-taona, ny isan’ny senatera ao aminy dia 100, ny depiote 435 amin’ny mponina 311 tapitrisa. Any Alemaina manana ny harin-karena faobe 40 631 dolara amerikanina isan’olona isan-taona dia senatera 68 no misy any ary depiote 612 amin’ny mponina 8 195 800. Hoan’i Madagasikara kosa dia 391 dolara amerikana isan’olona isan-taona ny harin-karena faobeny nefa miisa 180 ny senatera (CST) ao aminy ary 417 ny depiote (CT) amin’ny mponina 20 tapitrisa.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT