Politique

Ralitera Andrianandraina Tsy hihemotra manoloana ny ramatahora


  • Alatsinainy 26 Septambra 2011

Nafana ary hiha hafana hatrany ny hetsika ao amin’ny kianjan’ny Magro Avaratsena Antsirabe. Manaporofo izany ny fifanohanana ka nahatongavan’ireo mpiara-mitolona avy aty Antananarivo nanome voninahitra ny hetsika any an-toerana, izay anjaran’ireo Parlemantera no nanentana ny sabotsy 24 septambra lasa teo.

 Nampiavaka ny hetsika tamin’io ny fahatongavan-dRalitera Andrianandraina izay voalohany niseho vahoaka tao Vakinankaratra taorian’ny nivoahany ny fonja. Nandray fitenenana rahateo Ralitera, ka tamin’izany no nilazany fa be loatra ny kitoatoa ataon’ny FAT sy ireo mpiara-dia aminy. Handray andraikitra isika vahoaka, hoy izy, ary hifanentana sy hifamotoana manerana ireo kianja rehetra ka hisy hetsika goavana ny sabotsy ho avy izao. Tsy hihemotra amin’izay ramatahora isan-karazany isika, hoy izy, fa ny tombontsoan’ny firenena sy ireo vahoaka no tsinjovina. “Avelao hody malalaka eto ny filoha Marc Ravalomanana dia ho hita eo izay arahin’ny vahoaka”, hoy izy nanohy ny lahateniny. Raha ny zava-misy amin’izao fotoana dia ny FAT no manao ramatahora sy mampihorohoro ny olona fa tsy ny filoha Ravalomanana velively raha ny voalazany ihany.

Nanamafy izany moa i Guy Maxime Ralaiseheno raha nanazava fa ny mpomba ny filoha Ravalomanana mihitsy no tiana ho toran-kovitra amin’ireo lazaina fa didy fampisamborana dradradradraina amin’ny haino aman-jerim-panjakana izao mba hampihemotra ireo mpanaraka azy. Tsy mitady fitoniana ihany koa ny FAT amin’io resaka io mba tsy ahafahan’ny filoha mody eto satria dia izy ihany no atahoran’ireo nanongana azy raha ny zava-misy amin’izao fotoana. Raha ny tondrozotra dia tsy manan-jo amin’izany fisamborana izany koa io governamanta mijoro io satria tsy mbola taratry ny firaisam-pirenena noho izy efa natsangana nialoha ny fanaovan-tsonia ny tondrozotra. Atoa Lanto Rabenatoandro, senateran’i Vakinankaratra indray kosa dia nanamafy ny fitakiana hamoahana am-ponja ireo miaramila rehetra nogadraina mba hilaza ny marina tamin’ny fanoganam-panjakana natao teto ary nitaky koa ny hanokafana ireo Radio nakatona rehetra hilazana ny marina amin’ny vahoaka raha tiana hisy demokrasia eto. Nalai-nisaraka tanteraka moa ireo mpitarika sy ny vahoaka io sabotsy io ary efa tena maizim-bava vilany tokoa vao nifandao.

 

Caïus R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT