Fitoniana, fampihavanam-pirenena ! Aza manonofy an’izany raha mbola izao fitondrana Rajaonarimampianina izao no eo.
Ny hanapotika ny fiainan’ny mpiray tanindrazana, indrindra ireo izay tsy mitovy hevitra politika aminy no ihazakazahany sy andaniany andro. Ampiasainy hatramin’ny Fitsarana hamotehana ny fiainan’ny olona. Lohalaharana amin’ireo efa lasibatra ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana sy ny fananany. Ity farany izay iharan’ny antsojay isan’andro vaky ary amin’ny endriny samihafa. Nampiasaina ny Prefen’Antananarivo nandrara tamin-kery ny fankalazana ny faha-15 taona ny antoko Tiako i Madagasikara, izay i Marc Ravalomanana no filoha nasionaliny, fety nokasaina hatao tao amin’ny kianja monisipaly Mahamasina ny 8 jolay 2017. Netsehina koa ny Prefen’Antsirabe nanakatona ny orinasa Tiko-AAA ao Andranomanelatra, izay Atoa Ravalomanana no mpanorina azy, ny 13 oktobra 2017. Ampahany ireo. Miitatra amin’ireo mpiara-dia aminy indray ankehitriny io fanapotehana ny fiainan’olona io. Iharan’izany Ralitera Andrianandraina. Nogiazan’ny Fitsarana ankitsirano ny kaonty tahirim-bolan’ity farany tany amin’ny banky, handoavana ny onitra takian’ny AV7 na fikambanan’ireo niharam-boina tamin’ny raharaha 7 febroary 2009 teo Ambohitsorohitra. Onitra mitentina 639 tapitrisa Ariary. Nisy 12 ireo voarohirohy tamin’io raharaha io, fa ny kaontin’ ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ny talen’ny fiarovana teo anivon’ny Fitsarana Avo momba Lalàmpanorenana teo aloha Ralitera Andrianandraina ary ny an’ny kaomisera Ambinintsoa Rakotovao dit Mbinina no nogiazan’ny fanjakana, tamin’ny alalan’ny Fitsarana tamin’ny septambra 2017 lasa teo. Nanohitra izany didin’ny fitsarana izany ireto farany, ka nametraka fitoriana fanoherana. Noraisina ny fitorian-dry Ralitera miaraka amin’ny tohan-kevitra mafonja. Nandeha Fitsarana ady madio ny raharaha, ary notsaraina tamin’ny 11 desambra 2017. Nivoaka omaly alakamisy 28 desambra ny didy. Resy na ny marimarina kokoa noresena ry Ralitera tamin’ny didim-pitsarana nivoaka. Nambara fa maivana ny tohan-kevitra. Vokany, giazan’ny fanjakana ny kaontim-bolany hiantohana ny fanonerana ara-bola ny AV7, ity farany izay homan-droa satria mangataka onitra any amin’ny CFM na Filankevitry ny fampihavanam-pirenena Malagasy ihany koa. Kaonty tahiry miantoka ny fiainam-pianakavian-dRalitera io, miantoka ny sakafony, ny fanafodiny, fianaran-janany any ivelany. Mibaribary eto fa dia ny mahaolona mihitsy no ihazakazahan’ity fitondrana ity potehina. Sa izay fanakendana izay no setrin’ny fijoroan-dry Ihanta Randriamandrato, minisitry ny fiompiana teo aloha ary vady andefimandrin-dRalitera Andrianandraina, miaraka amin’ireo mpanao politika maromaro ao anatin’ilay andrimaso na “Comité de Vigilance Démocratique pour les Elections”. Toa odian’ny fanjakana sy ny Fitsarana tsy hita fa tsy meloka tamin’ny raharaha 7 febroary 2009 i Ralitera Andrianandraina, tsy nahita mangirana na porofo nandetehana na nitazomana azy ny Fitsarana. “Disquaifié” tamin’iny raharaha iny i Ralitera, na dia notazomina am-ponja tany Tsiafahy nandritra ny 27 volana aza, tsy tafavoaka raha tsy ny 11 aogositra 2011 rehefa nosamborina ny 27 aprily 2009. Mitohy ny famaizana an-dry Ralitera, izay efa rava fananana tamin’ny 2009. Inona no atahorana azy ireo ? Sa atao fitadiavam-bola izy ity ? Milaza ny hampakatra ny raharaha amin’ny fitsarana ambony ry Ralitera. Tsy hipetra-potsiny amin’izao koa izy ireo fa hanohy ny ady ary hanaitra izao tontolo izao. Tantara mitohy !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.