Politique

Ralitera Andrianandraina Nihaona tamin’ny Pr Zafy Albert


  • Alakamisy 18 Aogositra 2011

Tonga nihaona manokana tamin’ny filoham-pirenena teo aloha, Pr Zafy Albert teny amin’ny «Villa La Franchise» Ivandry i Ralitera Andrianandraina, omaly tolakandro.

 Naharitra ora iray sy sasany, teo anelanelan’ny tamin’ny efatra ora ka hatramin’ny dimy ora sy sasany, ny fihaonan’ny roa tonta. Tsy nisy nipika ny resaka, saingy tombanana fa voadinika tamin’izany ny famoahana an’i Madagasikara amin’izao krizy izao, eo koa ny fandraisana andraikitra sy an-tanana ny alaolana amin’izay, raha ny lojikan’ny nambaran-dRalitera, ny 11 aogositra 2011, teo am-pivoahana ny fonjan’Antanimora nitazomana azy farany. Niara-dia tamin’ity Talen’ny fiarovana ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana ity teny Ivandry omaly ny Ben’ny tanànan’Ankaraobato teo aloha, Ralaiseheno Guy Maxime. Ity farany izay efa niray efitra tamin-dRalitera teny amin’ny fonjan’Antanimora.

Jean D.

Sary : Pr Zafy Albert nandray an-dRalitera tao amin’ny «Villa La Franchise» (sary Rakotobe Michel)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT