Politique

Ralitera Andrianandraina Misy mifofo ny ainy …


  • Alatsinainy 22 Aogositra 2011

Niandraikitra ny fiarovana ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana i Ralitera Andrianandraina.

 Noho ny krizy politika niseho teto amin’ny firenena dia isan’ireo olona noheverin’ny FAT fa nanelingelina ny tenany ka nohezahina tamin’ny fomba rehetra ny nanamelohana azy. Roa taona sy telo volana no nifonjany kanefa dia nanambara ny fitsarana vao herinandro lasa izay fa dia afaka ny tenany. Ny alakamisy 11 aogositra izy no nivoaka an’Antanimora. Mandeha indray anefa ny resaka fa dia misy didy fampisamborana azy sahady any ho any, taorian’ny fipoahan-javatra nitranga teny Amparibe sy Analakely ny alin’ny zoma 19 aogositra teo ary mety hiafara hatramin’ny famonoana azy izany.

Raha ny fanazavany dia tompon’andraikitra ao amina sampan-draharaha mpanao famotorana sy fanadihadiana no tompon’antoka amin’izany. Araka ny fanazavana dia nanome baiko ity tompon’andraikitra tsy hamonjana an-dRalitera intsony fa ny haningorana ny ainy. “Ny zavatra mampalahelo amin’izao fotoana izao, dia mitady hivoahana amin’ity krizy ity ny Malagasy nefa mbola tonga amin’izany fandrahonana ho fa faty izany ny zavatra mitranga. Fitoniana no tadiavin’i Madagasikara sy ny Malagasy rehetra nefa fandrangitana no mitranga. Misy olona tsy maty voalavo an-kibo mbola mifofo ny aiko, nefa tsy mampihemorta ahy izany”, hoy Ralitera. Ny hoavy moa no hamantarana izay mety ho tohin’ity raharaha ity.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT