Politique

Ralison Roger “Tsy ampy traikefa ny minisitry ny fitaterana”


  • Alakamisy 05 Aprily 2012

Atahorana ny hikatsoan’ny fitateram-bahoaka eto Antananarivo Renivohitra amin’ity andro alakamisy ity.

 Mieritreritra ny hanao fitokonana fanairana mantsy ireo taksibe, mba ho fanoherana ny mety ho fiakaran’ny vidin’ny solika indray atsy ho atsy. Dia ho lamaody indray izany ny dia an-tongotra raha toa ka tena tanteraka tokoa izany fitokonana izany. Raha tsy mbola voavaha tsara akory ny olan’ireo fiarabe mitatitra entana (hazo) dia io fa ahitana olana iray hafa indray ny tontolon’ny fitaterana. Atoa Ralison Roger, mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sady mpahay toekarena dia nilaza mihitsy omaly fa ny tsy fahaiza-miasa sy tsy fahampian’ny traikefan’ny minisitry ny fitaterana sy ireo miara-miasa aminy, no mahatonga izao olana amin’ny fitaterana eto amintsika izao.

Mila vahaolana haingana kanefa voadinika tsara izy io, hoy izy, satria raha mitarazoka io dia ho avy ny fipoahana ara-tsosialy eto. Azo ambara tokoa fa tena mitatra tahaka ny sima misioka ity olana ity, niainga tany amin’ny vidin-tsolika, niampita teo amin’ny fandrarana ny fifamezivezen’ireo fiarabe eto an-drenivohitra. Mihetsika indray ny taksibe, efa mikononkonana zavatra ihany koa ireo zotra nasionaly, dia izao samy maneho ny tsy fahafaliany amin’ny alalan’ny fitokonana izao ny rehetra. Efa lamaody rahateo moa ny fitokonana tamin’ity tetezamita ity e ! Izay no vokatry ny hetsika natao teny amin’ny 13 mey sy teny Ambohijatovo. Azo ambara fa mariky ny krizy sy ny fisian’ny fitantanana tsy mahomby ny firenena ny tranga tahaka ity misy eo amin’ny sehatry ny fitaterana ity, ary mbola manamafy hatrany ilay hoe : varimbarian’ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso i Andry Rajoelina sy ireo miara-dia aminy.

Efa hita fa tena iankinan’ny ain-dehiben’ny firenena izao ny resaka solika sy fitaterana, kanefa dia ny hanofa fiaramanidina Airbus any amin’ny Frantsay no mahamaika, ary dia ho any Parisy mihitsy moa amin’io herinandro ambony io, i Andry Rajoelina hisantatra ilay fiaramanidina. Fiaramanidina izay mbola hofaina mandritra ny enin-taona amin’ny Air France, ary teratany Frantsay no ho mpanamory azy. Tsy misy 10%-n’ny Malagasy akory anefa no mitaingina azy io, kanefa nihazakazahana sy natao ho laharampahamehana ny fividianana an’ilay izy. Volam-panjakana no mivoaka amin’izany ; koa raha nisy vola ihany tao, nahoana no tsy nampiasaina hikarohana vahaolana amin’ity fitaterana miantoka ny fiainan’ny Malagasy maro an’isa isan’andro ity ? Marary ny sehatry ny fitaterana, ary manomboka mitombo ny aretina mikiky azy. Zava-doza araka ny efa nambaran’Atoa Ralison Roger tokoa, no mety ho vokatry ny tsy fahitana vahaolana haingana amin’izy io ary hampitombo hatrany ny krizy sy ny fahasahiranana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT