Politique

Ralison Roger “Misy lonilony tokony ahitsy eto Madagasikara”


  • Alakamisy 25 Aogositra 2011

Misy krizy teraka, hoy i Ralison Roger mpahay toe-karena sady mpanao politika, avy amin’ny ady miseho any Lybia satria firenena mpamokatra solika lehibe sady mpamatsy ny vokatra any amin’ny firenena maro izy.

 Vokatry ny paikady fanaovana tahiry hitsinjovana izay "vodiandro ho merika" nataon’ny Amerikanina anefa, hoy izy, dia tsy nisy fiantraikany loatra indray izany raha ny marina. Raha halalinina dia tsy tonga aty amintsika ihany koa akory izany krizin-tsolika izany. Fa raha resaka hasarotam-piaianan’ny Malagasy indrindra eo amin’ny vary foto-tsakafo dia efa tokony nampiharina hatrany ilay fitenenana hoe «gouverner c’est prévoir», izany hoe efa nitsinjo hatrany ny amin’ity resa-bary ity isika hatramin’izay. Ka fotoanany izao, hoy ihany i Ralison Roger nanohy ny teniny, hamoahan’ny fanjakana ny tahirim-bary natao hitsinjovana izay vodiandro ho merika eto amintsika. Tsy hisalasalana, hoy izy, ny hilazana fa misy olana ara-pitantanana eto Madagasikara. Resaka fitantanana mahatonga lonilony no miseho ka tsy maintsy jerena amin’ny fo tsy miangatra ary ahitsy raha azo ahitsy.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT