Politique

Ralevason Haritiana Hirotsaka ho filohan’ny CENIT


  • Talata 20 Martsa 2012

Rahampitso ny fe-potoana farany fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho filohan’ny CENIT.

 Maro ireo anarana voatonona fa handray anjara amin’izany ka efa nampahafantatra mivantana ny maha kandida azy Ralevason Haritiana, admnistratera sivily izay efa mpikambana teo anivon’ny CENI tamin’ny endriny teo aloha. Nambarany fa ilana olona efa manana traikefa amin’ny fikirakirana ny resaka fifidianana ity rafitra ity ka izay no antony hilatsahany. Mahafantatra ireo lesoka sy fahombiazana tamin’ny fifidianana ny tenany satria anisan’ny tompon’andraikitra nandray anjara tamin’ny fanomanana ilay fitsapan-kevi-bahoaka tamin’ny 17 novambra 2010. Fifidianana izay marihina fa ratsy karakara indrindra hatrizay satria kara-pokontany dia efa nahafahana nifidy. Ankoatra izay dia tompon-kevitra tamin’ny fananganana ny CENI nandritra ireny fikaonandoham-paritra sy fikaonandoham-pirenena ireny koa ny tenany. “Telo taona farafahakeliny vao mahaomana fifidianana ny CENI any Afrika saingy mety ho latsaky ny herintaona dia efa hisy ny fakana ny hevitry ny Malagasy araka ny tondrozotra ka mila olona manana fahaiza-manao izany isika. Tsy misy anefa ny tonga lafatra fa fifidianana mba mahafa-po no tanjona. Fifidianana manara-penitra ihany mantsy no antoka hivahan’izao krizy izao”, hoy izy.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT