«Miverina eo anivon’ny fitondrana ny ankolafy Ravalomanana rehefa ampiharina araka ny tokony ho izy ny sori-dalana, ka tsoahy eo ireo minisitra raha sahy ianareo», hoy Ralaiseheno Guy Maxime tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly.
Momba ny andininy faha-45 ao amin’ny sori-dalana miresaka ny tsy fitsabahan’ny SADC amin’ny fahaleovantenan’ny fitsaran’ny tany mpikambana, dia nambarany fa tsy matahotra izany ny ankolafy misy azy. «Manana ny hambaranay izahay momba iny 7 febroary iny», hoy ihany izy fa “ny FAT no matahotra hivoahan’ny marina”. Raha niverenany kosa ny momba ny raharaha 2009, indrindra ny niseho teny amin’ny CAPSAT dia nambarany fa mitombo ireo mijoro vavolombelona ny amin’ny fisian’ny fanambazana vola ny mpikomy tao, nentina nanongam-panjakana. Mikasika ny dian’i Marius Fransman teto amintsika kosa dia fantatra fa ankoatra ireo vondrona politika, fiarahamonim-pirenena, tafika nihaona tamin’ny Troika-SADC dia nisy Vondron’olona manohana ny ara-dalàna, mahitsy Tia Tanindrazana nifampidinika tamin’ireo solontena vahiny. Tsy nambaran’i Guy Maxime Ralaiseheno moa hoe iza izy ireo fa ny hany fantatra dia nolazainy fa «tsy anjaran’ny miaramila ny hanapa-kevitra ny hoavin’i Madagasikara», hoy izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.