Nanomboka ny 28 desambra 2011 dia lalŕna velona hitondrana ny tetezamita eto amintsika ny sori-dalana nosoniavin’ireo mpanao politika ny 17 septambra 2011.
Raha ny tokony ho izy, hoy Ralaiseheno Guy Maxime dia nitsahatra avy hatrany, taorian’io fanaovan-tsonia, ny fanenjehana ara-politika rehetra. Araka izany, raha ny fanazavany dia familivilian-dresaka ny filazana fa tsy mahazo amnistia i Marc Ravalomanana, hoy Ralaiseheno Guy Maxime. Ny marina, hoy ity farany, dia tsy voakasik’io famafan-keloka io ny filoha, ary tsy misy lalàna mifanohitra izany ao amina firenena iray. Raha ny voarakitr’ilay fifanarahana politika, hoy hatrany Ralaiseheno Guy Maxime dia efa lasa lalàna velona ny fahazoan’i Marc Ravalomanana mody an-tanindrazana toy ny maha filohan’ny tetezamita an’i Andry Rajoelina.
Araka izany, hoy hatrany ity mpikambana eo anivon’ny Kongresy ity, dia “tsy maintsy tanteraka ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ary dia efa manomana ny fampandaniana azy ho filoham–pirenena ireo mpiara-dia aminy”. Raha hiverenana ny momba ny amnistia dia nambaran-dRasoanoromalala Horace, mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, fa tsy azo ekena raha toa ka tsy ho famotsoran-keloka faobe ary dia tokony hatomboka ao anatin’ny samy ankolafy ny fampihavanana. Ho an’i Tsianihy Sazalahy, indray dia nambarany fa tsy mitombina ny fiheverana fa hanasaziana ny filoha Marc Ravalomanana ny amnistia, ary fahatahorana no tsy nampidiran’ny FAT ny raharaha BANI sy FIGN ao anatin’ny vanimpotoana voakasiky ny amnistia, ka tsy azo ekena, hoy ihany i Sazalahy Tsianihy.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.