«Tsy misy elanelana eo amin’ny ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, ireo mpikambana ao amin’ny Kongresy sy ireo ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita taorian’ny namakian’ireo minisitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana fa volavolan-dalàna hosoka no nalefa teny anivon’ny CT sy CST», hoy i Constant Raveloson, mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita, raha nifampizara vaovao tamin’ireo mpiara-mitolona hiverenan’ny ara-dalàna tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly. Nanomboka teo, hoy izy dia mazava ny resaka. Na izany aza dia nilaza i Constant fa dia hiatrika ny fivoriana momba ny famotsoran-keloka ireo Parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ao Tsimbazaza amin’ity anio ity.
Fivoriana izay azon’ny besinimaro atrehina ary tokony halefa mivantana amin’ireo haino aman-jerim-pirenena, raha ny fanazavany. Na inona na inona, ary na ahoana na ahoana, hoy i Constant Raveloson dia tsy azo sakanana ny fodian’i Marc Ravalomanana satria ny andininy faha-16, faha-18 ary faha-20 ao amin’ny sori-dalana izay efa lasa lalàna no mamaritra ny momba ity filoham-pirenena sesitany politika ity. Tsy any, araka izany no olan’ireo Parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana fa ny manahirana azy ireo amin’ity resaka amnistia ity dia ny hanao lalàna mitanila. Fa ankoatra izay dia nasian’i Constant Raveloson resaka koa ny momba ny volavolan-dalàna nalefa nodinihana eny amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita dia ny fitondrantena sy fihetsika mendrika tokony hananan’ireo mpanao politika mandritra izao tetezamita izao na «Code d’éthique et de bonne conduite politique pendant la Transition».
Ny mahavariana anefa, hoy ity mpanao politika dia tsy mba nasiana resaka amin’izany etika sy fitondra-tena mendrika izany ireo olona nanao zinona ny sonia nataony, tsy nanaja izany ; ny olona nandrombaka fahefana, tsy azy kanefa manendritendry olona milaza ho manana ‘quota’. Tetsy andanin’izany kosa dia nanao tatitra fohy tamin’ny diany tany amin’ny faritra avaratra andrefan’ny Nosy iny Ralaiseheno Guy Maxime, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita. Nambarany fa na ny vahoakan’i Boeny na Sofia dia samy miandry sy miandrandra ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana. Ny Malagasy maro an’isa any amin’ny faritra amin’izao dia efa samy resy lahatra sy mahafantatra ny zava-bitan’ny filoha Ravalomanana, hoy ihany Ralaiseheno Guy Maxime. Nohamafisiny fa dia tsy maintsy hanjaka eto Madagasikara ny marina.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.