Politique

Ralaiseheno Guy Maxime Mamaky ady amin’ny movansy Ravalomanana i Andry Rajoelina


  • Alatsinainy 11 Jona 2012

Mamaky ady amin’ny movansy Ravalomanana ny fanjakana sy i Andry Rajoelina amin’ity raharaha Tiko ity, hoy Atoa Ralaiseheno Guy Maxime.

 Raharaha politika no fahitany ny hitondrana ity raharaha ity amin’izao fotoana satria dia kendrena mihitsy ny famotehana sy fanerena ny filoha Ravalomanana amin’ny lafiny politika hanaraka ny fomba fijerin-dRajoelina. Ny tsy hilatsahany hofidina ihany koa no atao. Nambarany fa raha resaka hetra dia azo ifampiraharahana tsara izany ary fomba fanao eo amin’ny orinasa sy ny fanjakana io kanefa tsy nanaovana izany ny Tiko. Nandritra ny telo taona no tsy nihodina ny orinasa ka ahoana moa ny hananany vola handoavana ny trosan-ketra ? Mahagaga ihany, hoy ity mpanao politika ity fa ao anatin’ny vanim-potoana itadiavana vahaolana hamahana ny krizy ny Malagasy kanefa dia misisika hatrany ny foibem-pitondrana ankapobeny momba ny hetra sy ireo mpanao politika miaraka amin-dRajoelina amin’ny fangejana ity orinasa ity.

Nambarany fa betsaka ny dinika sy fangatahana ny tsy hampiharana ilay didim-panjakana. Raha ny marina dia ananan’ny Tiko vola be ihany koa ny fanjakana kanefa tsy mihaino izany ny FAT. Ny andininy faha-08 ao amin’ny tondrozotra aza dia mandidy ny fanjakana handoa ny onitra rehetra ho an’ny orinasa izay nanana fahasimbana tamin’ny raharaha 2009. Tsy noraharahain’ny fanjakana anefa izany na dia efa nisy didim-pitsarana nandidy ny hanonerany ny simba aza. Inoana fa mihoatra lavitra ity vola takian’ny fanjakana ity no tokony hoefaina sy averina amin’ny Tiko vokatr’iny raharaha 2009 iny. Nambarany fa lasa raharaha politika ny resaka Tiko ka dia miditra ny mpanao politika sy ny movansy Ravalomanana. Manomboka anio alatsinainy moa dia hiambina ny orinasa Tiko isan’andro izy ireo ka raha hisisika hampiasa hery ny fanjakana dia efa nivonona amin’izany izy ireo hiady hatramin’ny farany.


Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT