Politique

Ralaiseheno Guy Maxime ”Hikorontana ambony ambany eto”


  • Alarobia 28 Martsa 2012

Hihazakazaka ho any Manakara hankalaza ny 29 Martsa i Andry Rajoelina nefa ny mpiaradia aminy tsy iza fa mbola ireo zanak’ireo nanao vonomoka ny Malagasy, hoy ny CST Rakotonomenjanahary Jean Ernest.

 Nohamafisin’ny CT Ralaiseheno Guy Maxime izany tamin’ny filazana fa Malagasy no maty tamin’ny taona 1947 ary teo dia efa nizarazara ny Malagasy ary tsy mifanalavitra amin’izany ny ankehitriny ka tsy maintsy tonga any amin’ny toerana azo hankalazana izany izahay. Ny tolona atao mantsy dia tolona hahafahan’ny Malagasy mitavana ny harem-pirenena ka ho tompony tanteraka izy. Lasa lavitra ny tenin’ny Ben’ny tanànan’Ankaraobato teo aloha, nilaza fa hikorontana ambony ambany eto raha i Andry Rajoelina no ho filoha. Ankoatra izay dia niantso ny vahoakan’i Manakara ho tonga maro Ralaiseheno Guy Maxime ka hanontany an’i Andry Rajoelina ny momba an’ny lietnà kolonely Charles Andrianasoavina.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT