Politique

Ralaiseheno Guy Maxime “Alohan’ny 26 jona no tokony hatao ny fihaonana”


  • Zoma 15 Jona 2012

Tsy niandry ela fa dia naneho hevitra avy hatrany nanoloana ireo vahoaka marobe teo Andranomanelatra ny CT Ralaiseheno Guy Maxime manoloana ny vaovao inian’ny FAT aely mahakasika ny fanemorana ny fihaonan’ny filoha Ravalomanana sy Rajoelina.

 Nohamafisiny fa takian’ny ankolafy Ravalomanana ny hanaovana ny fihaonana eto Madagasikara ary araka ny baikon’ny SADC dia tokony ho haingana izany ary maika. Amin’izy ireo dia tsy hitondra vahaolana ny fanaovana izany ivelan’i Madagasikara satria niaraha-nahalala fa efa maro ny fifanarahana natao tany ivelany saingy rehefa tonga eto Rajoelina dia mivadika hatrany amin’izay nosoniaviny. Nambarany fa ny filoha Ravalomanana dia efa nanolo-tanana, iray volana lasa izay, amin’ny fomba hivahan’ny krizy ka tsy ho izy sy ny ankolafy tarihiny mihitsy no sakana amin’izany. Ny zava-misy eto amin’ny firenena dia efa manery azy hanao io fihaonana io maika, ary izao dia ny SADC mihintsy no efa manery ny hanaovana izany. Niaraha-nahalala, hoy i Guy Maxime fa nandritra ny telo taona dia nisy hatrany ny fifanarahana hamahana ny krizy kanefa tsy mbola tafavoaka foana isika noho ny ataon’ny mpomba an-dRajoelina izay mivadibadika.

Niaraha-nahita fa efa nanaiky ny fiaraha-nitantana ny ankolafy Ravalomanana ka nanaiky fa Rajoelina no filohan’ny tetezamita ka maninona ny tsy arahina ny tondrozotra ary mitady lalana vaovao fanampiny hamahana ny krizy ? Anisan’ny vahaolana narosony ny hamaritana faran’izay haingana ny fifanarahana eken’ny ankolafy rehetra toy ny famaritana ny datim-pifidianana, ny fodian’ny filoha faran’izay haingana, ary tokony hiverenana ny fandrafetana ireo andrim-panjakana ka apetraka ny fifandanjan-kery hiatrehana ny fifidianana. Izay no anisan’ny olana teto hatramin’izay. Nantitrateriny fa eto Madagasikara no tokony hanaovana ny fihaonan’izy roalahy ary mitaky ny hanaovana izany mialoha ny 26 jona izy ireo mba hivahan’ny krizy haingana.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT