Politique

Ralaiseheno Guy Maxime 20 andro tany Etazonia


  • Alarobia 22 Febroary 2012

Tafaverina an-tanindrazana rehefa avy nivahiny nandritra ny 20 andro tany Etazonia (Washington, New Mexico, Nouvel Orléan ary Miami) ny CT Ralaiseheno Guy Maxime, araka fanasan’ny governemanta amerikanina azy amin’ilay programa IVLP (International Visitor Leadership).

 Fanaon’ny governemanta amerikanina isan-taona ho an’ny firenena afrikanina na firenena hafa ny amin’ny famaritana sy fampahafantarana ankapobeny ny rafi-panjakana misy any Amerika sy ny fomba fiasany indrindra eo amin’ny lafiny demokrasia sy ny sehatry ny fiarovana ny zon’olombelona. Eo ihany koa ny fampahafantarana ny hoe manao ahoana ny rafitra federalisma izay iainany sy ny kolontsaina amerikanina. Dia nampitaina taminay sy ireo solontenan’ny firenena 12 hafa izany rehetra izany, araka ny nambarany. Maro ireo tompon’andraikitra amerikanina nihaonan’izy ireo nandritra izay fe-potoana izay mba nahafahana nahafantatra bebe kokoa ny fizotry ny fandaminana ara-politika araka ny fifidianana, na ny fahalalahana amin’ny haino aman-jery, na ny fanjakana tsara tantana na rafitra mangarahara ao amin’ny fitantanana ny firenena.

Teo koa ny fampahafantarana ny zava-misy aty Madagasikara izay saika efa fantatry ny any avokoa amin’ny ankapobeny. Nisy koa ny fihaonana tamin’ireo antoko politika demokraty sy Repoblikanina. Tokony mba fotoana ahafahan’ny mpanao politika miaro ny tombontsoan’ny Malagasy 20 tapitrisa izao fa ny an’ny olona dia tena mitsinjo ny vahoaka an-tapitrisa ny politika izay atao. Hampahafantariko ny tanora avy amin’izany traikefa azo izany àry, hoy i Guy Maxime, ny fivoarana misy, ary heveriko fa azo ampiharina eto amintsika ny hisiana fiarahamonina tena izy ary eken’ny rehetra. Azo tanterahina eto amin’ny fiaraha-monina ny hananana toekarena matanjaka, ny hisian’ny fifamindram-pahefana araka ny tokony ho izy, araka demokratika anaty fivavahana.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT