Politique

Ralaimampisainarinony Manoela Ny tariky Rajoelina no mila amnistia


  • Zoma 27 Janoary 2012

Andro nangidy sy maizina ho an’Antananarivo ny 26 janoary 2009. Feno telo taona katroka omaly izany.

 Notsiahivin’ireo mpandala ny ara-dalàna tetsy amin’ny kianjan’ny Magro ny zava-nisy nandritra iny “Alatsinainy Mainty” iny. Araka ny fanazavan’ny mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita, Manoela Ralaimampisainarinony dia manana antontan-kevitra mavesatra sy raki-tsary porofo ry zareo, ahitana ireo nampandoro ireo orinasan’i Marc Ravalomanana sy ny haino aman-jerim-pirenena ary ireo orinasa hafa teto an-drenivohitra. Nitanisa anarana mpitondra amin’izao tetezamita izao ny tenany, nambarany fa nitso-drano ireo olona handoro ny MBS teny Anosipatrana, eo koa ireo olona niisa 36 kilan’ny afo tao amin’ny magazay lehibe iray tetsy Analakely sy ny maro hafa. Ankoatra izay dia nitondra fanazavana tsotsotra ny momba ny raharaha 7 febroary izay iampangana an-dRavalomanana ho mpamono olona koa ity mpikambana eo anivon’ny CT ity.

Nambarany fa nahitana razana niapatrapatra teo anelanelan’ny ministeran’ny vola sy ny Trésor, nanoloana ny banky BFV, tany akaikin’ny paositra Antaninarenina, ny banky BOA Antaninarenina. “Bala avy aiza avokoa no nitifirana ireny olona ireny ?”, hoy izy nametra-panontaniana. Tsy mitombina ny filazana, hoy ihany i Manoela fa ny mpiambina an’Ambohitsorohitra no nitifitra ka nahafaty olona tany amin’ireo toerana ireo. Novantanin’i Manoela fa dia tokony hotsaraina i Andry Rajoelina sy ny forongony. Izy ireo no tena mila fanafoanan-tsazy faobe, hoy ihany ity mpikambana eo anivon’ny Kongresy ity. Fampihavanana anefa no ilaina, hoy izy ka dia milefitra izahay amin’ny fampandaniana ny amnistia.

Anisan’ny fanapahan-kevitra tany Pretoria nandritry ny fihaonana teo amin’ireo ankolafy malagasy sy ny Troika tokoa ny tokony hahavitan’ny fanafoanan-tsazy ary dia hodinihina eo anivon’ny parlemanta izany amnistia izany. Ho an’ny firehana Ravalomanana dia tsy mahakasika ny filoha Ravalomanana ny fanafoanan-tsazy faobe na dia eo aza ny fanenjehana azy ara-pitsarana satria fitsarana politika no natao azy ary fitsarana miandany sy mitanila ary tsy mahefa no namoaka ny didim-pitsarana. Ankoatra izay moa, raha ny fanazavana dia efa voasoratra ao amin’ny andininy faha-16 amin’ny sori-dalana fa anisan’ny fepetra hisiana fahatoniana ny fanajanonana ny fanenjehana ara-pitsarana rehetra. Araka izany dia miverina tsy misy fepetra eto an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana ary tsy misy raorao na fanenjehana azo atao azy.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT