Politique

Rakotra kung-fu ny tanŕna


  • Alatsinainy 25 Martsa 2013

Niainga teo amin’ny Foibe 67 ha ireo mpikatroka kung-fu niandahy niambavy manodidina ny 6.000 isa ary namakivaky an’Ampefiloha, Anosy.

 Maro no tsy tafiditra tao amin’ny Gymnase Ampefiloha ka namoahana fanamafisam-peo tety ivelany. Fanamarihana ny faha-33 taona niorenan’ny kung-fu, fampahafantarana sy fanetsehana ny fototry ny antoko Madagasikara Afaka (MAF), ary indrindra koa fanamafisana ny fampiofanana momba ilay fiarovan-tena isan-tanàna. Heno koa anefa tao anatin’izany fihaonana izany fa misy andian’olona efa nivonona hanao fanamiana kung-fu ka hitondra sabatra eran’ny tanàna mba hanasoketana ny anaran’ny kung-fu. Nanamarika anefa ny Maître Avoko fa tsy izy ireo mihitsy akory no hisalovana ny asan’ny mpitandro filaminana ka hitondra sabatra eran’ny tanàna fa fifanomezan-tanana amin’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana no atao. Io fotoan-dehibe io koa no nahatsiarovana ireo mpikatroka kung-fu tranainy mpianatr’i Grand Maître Pierre Be ka nanoloran’ny federasiona vaovao izay vao voafidy ny sabotsy teo mari-pahatsiarovana ho azy ireo. Rakotoarisoa Victor moa no filohan’ny Federasiona kung-fu Wisa.

Nohamafisina nandritra ny fotoana koa ny firotsahan-kofidian’ny Maître Rakotoarijaona Avoko ho filoham-pirenena ka nahazoany ny tso-drano avy amin’ireo mpiangaly ity haiady ity. Mba tsy hampifangaro ny fanatanjahantena sy ny politika dia tsy niditra ao anatin’ny Birao mpitantana ny federasiona intsony ny Maître Avoko fa nijanona ho filoham-boninahitra ka Atoa Ratsimandresy Rajo Joël no voatendry ho tale teknika nasionaly vaovao nisolo azy. Nantitranterin’ny Maître Avoko hatrany fa tsy maintsy mandray andraikitra isika amin’ny maha olom-pirenena ka tsy miandry ho mpitondra firenena vao hanampy vahoaka fa izay azo hatao dia entina hanasoavana hatrany ny mpiara-belona.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT