Politique

Rakotovazaha Zazarivelo “Mbola Atoa Ravalomanana no filoha fantatray”


  • Alakamisy 05 Janoary 2012

Filoham-pirenena voafidim-bahoaka iny ary izy no mbola filoha fantatray hatramin’izao aloha

 Izy ihany no hita fa fitaratra hamaha antsika amin’izao krizy izao sy hahatonga an’i Madagasikara ho lasa alavitra ohatra ny firenen-kafa rehetra, hoy Rakotovazaha Zazarivelo. Koa amin’izao Asaramanitra izao dia mirary taom-baovao sambatra ho an’ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka ny tenako, hoy ity mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity. Voalohany dia miarahaba manokana ny Filoha Marc Ravalomanana ho ela velona sy hifanantitra amin’ny vahoaka malagasy na dia tsy eto an-toerana aza izy.

Ankoatra izay, araka ny tati-baovao nataon’ity CST avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity dia nitsidika ny Faritr’i Sofia tamin’ny faramparan’ny taona 2011 teo ary tonga tany Mampikony ny 29 desambra ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana Ruffine Tsiranana amin’ny maha zanak’i Sofia azy. Fiarahabana azy manokana no tena anton’ny fitsidihana, hoy izy, ary tao anatin’izany kosa no nitondran-dRtoa minisitra fanazavana tamin’ireo Ben’ny tanàna ny antony nanalavana ny fotoam-piasan’izy ireo ary ny mikasika ny amin’ny fanoloana na tsy azy ireo ho PDS. Raha ny mikasika ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona dia naleon’ny olona nipetrapetraka tany an-trano fa tsy manam-bola satria krizy, hoy ny CST Zazarivelo. Hany ka tsy nisy zavatra naresaka tahaka ny taloha raha atao bango tokana, hoy ity CST ity.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT