Politique

Rakotovazaha Olivier Dingana vaovao no hirosoan'ny tolona


  • Talata 06 Desambra 2011


 Famoahana tsy misy fepetra ireo gadra politika, famerenana an-tanindrazana tsy misy fepetra an’ireo sesitany politika, anisan’ireny ny filoha Ravalomanana ary ny fanalalahana sy famoahana ireo haino aman-jerim-pirenena sy ireo nakatona : ireo no fifanarahan’ny vahoaka sy ireo mpitarika ny tolona etsy amin’ny kianjan’ny Finoana, Behoririka. Tsy miala vehana amin’ireo tanjona ireo isika, hoy i Olivier Rakotovazaha, Sekretera jeneralin’ny antoko MFM. Na inona na inona hatao ka tsy tanteraka ireo dia tsy misy dikany avokoa. Miainga amin’ny vahoaka mandrakariva ny fijerena ny zavatra hatao, raha ny fanazavany ka raha ny zavatra hita amin’izao fotoana izao dia ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana no takian’ny vahoaka.

Araka izany izay hatao rehetra dia tsy hametrahana izay fiverenan’ny filoha izay, raha tsy izany dia azo sokajiana ho tsy izy, hoy izy. Azo ampiasaina amin’ny sehatra maro ireo olom-panjakana avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, hoy ity mpitari-tolona ity. Hojerena, hoy izy, raha horavana amin’ny lakrimozena ireo parlemantera raha hamory vahoaka, raha handray anjara amina fivoriam-bahoaka. Nambaran’i Olivier Rakotovazaha moa fa dia tsy maintsy hampanaovina dingana ny tolona. Ny fiverenan’ny filoha, ohatra, dia tsy hoe fiverenana an-tanindrazana fa fiverenana fotsiny fa fampandaniana azy hitondra ny Repoblika vaovao, tsy maintsy jerena ihany koa ny lalana hanafoanana ireo sazin’ireo gadra politika. Nomarihiny ihany koa fa raha tiana ny hametraka ny fitondrana tetezamita tsy momba ny atsy na ny aroa, izany hoe tsy mitanila dia tsy maintsy misasaka ny fahefana amin’ny mpanohitra sy ny mpomba ny FAT. Nambarany fa raha tsy mbola izany no mipetraka dia tsy hanaiky ny ankolafy Ravalomanana ary efa misy rahateo taratasy fitoriana namaritra ireo tsy ara-dalàna napetraka eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT