Raha tsy misy ny olona sahy mijoro dia hanolo-tena ho kandida tokana avy amin’ny mpanohitra Atoa Rakotoson Harotsilavo. Mpikambana ao amin’ny antoko Manajary Vahoaka izy.
Heverina fa goavana ao anatin’ny elatra mpanohitra ny ankolafy Ravalomanana, ka izany indrindra no antony nanoratany taratasy miantefa manokana any amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana mba hiangaviana ity farany hanapa-kevitra ny amin’izay tokony ho kandida, eny fa na dia tsy mbola tafaverina eto Madagasikara aza izy. Tao amina fahitalavitra tsy miankina iray ny zoma alina teo no namelabelaran-dRakotoson Harotsilavo ny fomba fijeriny ny zava-misy eto Madagasikara, ny vokatry ny krizy ary ny fandaharanasany raha toa izy ka voafidy ho filoham-pirenena. Tsy ekeko ary toheriko hatramin’ny farany ny fanonganam-panjakana natao teto tamin’ny 2009, hoy ity mpahay lalàna, efa Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fitsarana (2006-2008) ity. Aminy dia zava-doza ho an’ny firenena ihany koa ilay lalàmpanorenana nofidiana tamin’ny 17 novambra 2010. Notsoriny fa io no zavatra hovainy voalohany raha tonga eo amin’ny fitondrana izy ary fitsapan-kevi-bahoaka no hanaovana izany.
Tsotra ny tadiavin’ny vahoaka, hoy izy, dia sakafo, asa, fahasalamana, fandriampahalemana, filaminana ary tokony hahay hisafidy ny laharampahamehana ny mpitondra. Misy kosa anefa, hoy izy ny fanapahan-kevitra hentitra tsy maintsy raisina momba ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ireo orinasam-panjakana sahirana sy mitsipozipozy tahaka ny Jirama sy ny Air Madagascar. Fanalalahana ny sehatra mba hisian’ny fifaninanana no hitan-dRakotoson Harotsilavo fa vahaolana amin’izany. Hojerena akaiky koa, hoy izy, ny momba ny fivarotana solika eto amintsika, satria toa mitovy ihany ny vidin-tsolika eny amin’ireo kaompania lehibe efatra. Ny vidin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ve no mahatonga izany sa manao fifanarahana miafina ireo kaompania vahiny ireo ? Raha izay no marina dia tsy maintsy saziana izy ireo, hoy izy. Manana eritreritra hanangana rafitra iray hihaino ny vahoaka sy ho mpanelanelana azy amin’ny filoham-pirenena ihany koa Rakotoson Harotsilavo.
Nitsotra izy fa tsy dia mankasitraka loatra ny hananganana ilay “Haute Cour de Justice”, voalaza fa hitsara ny filoham-pirenena am-perinasa raha toa misy zavatra ahiahina fa tsy nety nataony. Tsara kokoa raha efa tsy am-perinasa intsony ilay filoha na mpitondra fanjakana ambony dia tsaraina amin’ny fitsarana tsotra, tahaka ny misy any Frantsa. Ny atahorana dia mety hataon’ny sasany fitaovana hanonganam-panjakana indray io “Haute Cour de Justice” io ka hisomparana na haminganana fotsiny ilay filoha am-perinasa, hoy izy. Mpahay lalàna nianatra ny “science politique” tany Frantsa Rakotoson Harotsilavo, ary anisan’ireo Malagasy afaka nianatra momba ny fitantanan-draharaham-panjakana tany amin’ilay oniversite Amerikanina malaza dia malaza dia ny oniversiten’i Harvard izany. Manampahaizana izy ary hita fa niezaka namantatra ny tena zava-misy marina eto amin’ny firenena. Misy ny olona mihevitra fa mahafeno ny fepetra ho kandidan’ny mpanohitra izy, ary mitovitovy fomba fijery sy politikam-pitantanana amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.