Politique

Rakotoniaina Gringo “Iza intsony no hiaro anay vahoaka ?”


  • Alakamisy 23 Febroary 2012


 Naverin’ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita Rakotoniaina Jean Gringo ny fanontaniana ho an’i Jean napetraky ny Tia Tanindrazana omaly nanoloana ny famonoan’ny dahalo tany amin’ny Fokontanin’i Fenoanevo, Kaominina Manolobe, Distrikan’i Bezaha Toliara ny Adjidà Alphonse Bernard ny talata teo : “Iza intsony no hiaro anay vahoaka fa hatramin’ny mpitandro ny filaminana aza ity matin’ny dahalo ?”. Amin’ny fo malahelo sy mahonena no hilazako etoana, hoy ity mpikambana amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy any Bezaha ity, ny nahafatesan’ny namana Komadàn’ny Borigadin’ny Zandarimaria ao Bezaha Toliara teo am-panaovana ny asany hampandry fahalemana ny Distrika izay misy anay ao Betioky, indrindra ny faritra Avaradrano any Bezaha. Vao tamin’ny roa volana lasa izy ity, hoy izy, no efa voatifitry ny dahalo teo amin’ny tanany sy tongony ary nentina notsaboina tany Toliara kanefa izao tsy navelany izao raha tsy maty.

Koa mangataka ny fitondram-panjakana isan’ambaratongany ny tenako, hoy Rakotoniaina Gringo, mba hijery haingana ny toe-draharaha fa tsy ho variana amin’ny adilahy politika eto Antananarivo eto fotsiny. Tsarovy, hoy izy, fa miankina amin’ny fandriampahalemana eny amin’ny vahoaka maro an’isa ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Mila vahoaka mitony sy milamina, hoy ihany izy, ny Faritra tsirairay avy amin’izao fanomanana ny fifidianana ho avy izao. Tsy tokony ho najanona mihitsy ilay “Opération tsy mitsitsy”, hoy izy, raha tsy azo sambo-belona i Retsifa, lehiben’ny dahalo any an-toerana. Mahitsy ihany koa ny tenin’ity CT ity amin’ny fangatahana ny hanomezana fitaovana arifomba sy manara-penitra hoentin’ny mpitandro ny filaminanana manatanteraka ny asany.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT