Politique

Rakotonatiana Andrianarivelo “Soloy ny Lehiben’ny Faritra Amoron’i Mania”


  • Alarobia 06 Jona 2012

Vahinin’ny Tia Tanindrazana anio Atoa Rakotonatiana Andrianarivelo, mpandraharaha sady mpanao asa tanana ao Ambositra. Ny fahitŕny ny toe-draharaham-pirenena sy ny zava-misy ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania no horesahina aminy.

Tia Tanindrazana (TT) : Mihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, manao ranolava ireo fitakiana maro samihafa tamin’ity fitondrana tetezamita ity. Ahoana ny fomba fahitanao azy ?
Rakotonatiana Andrianarivelo (R.A) : Ambarako ety am-piandohana aloha fa manome rariny ny fitakiana ataon’ireo sokajin’olona sy mpiasa isan-karazany ankehitriny ny tenako noho ny toe-draharaha misy izay efa tsy mandeha amin’ny laoniny intsony vokatry ny krizy. Efa mipaka aty amin’ny Faritra Amoron’i Mania izany krizy izany ary misy mpiasa sy vahoaka manao fitokonana ihany koa aty amin’izao fotoana izao.
 
TT : Fa inona no zava-misy marina ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania ?
R.A : Roa taona mahery izao no nitakian’ny vahoakan’Amoron’i Mania ny tokony hanesorana ny Lehiben’ny Faritra saingy manao bemarenina ny mpitondra fanjakana. Efa nitaky izany avokoa na ny mpanao asa tanana maro an’isa sy ny mpanao politika ary teknisianina mpiasam-panjakana nefa tsy nahitam-bokany. Amin’izao fotoana izao anefa dia tsy resaka politika intsony no antony tokony hanalana azy io fa efa antony ara-toekarena mihitsy. 
 
TT : Fahavoazana ara-toekarena ahoana moa izany ?
R.A : Voalohany dia tsy ny vahoaka fa olom-bitsy no mitavana ny harena ankibon’ny tany toy ny vatosoa any Ambatofinandrahana sy «rubis» ao Manandriana ary ny volamena ao Tratrambolo Miarinavaratra Fandriana. Faharoa dia tsapanay olom-pirenena tsotra fa dinganin’ny fitondrana tetezamita i Amoron’i Mania miohatra amin’i Vakinankaratra sy Matsiatra Ambony raha resaka fampandrosoana. 
 
TT : Inona no heverinao fa vahaolana amin’izany ?
R.A : Eto aho dia mampitandrina sy manaitra ny mpitondra tetezamita any ambony any fa tsy ekenay ny fandrobana ireo harena ankibon’ny tany misy ato Amoron’i Mania ho tombontsoan’olon-tokana. Araka ny hevitro dia tsy tokony hisy fifanarahana fanaovana fitrandrahana harena ankibon’ny tany ny vanim-potoan’ny tetezamita satria asa lavitr’ezaka izany nefa toa mifanohitra amin’izany no zava-misy. 
 
TT : Voaresaka matetika tato ho ato ny mety hitrandrahan’ny vazaha ny volamena ao amin’ny Fokontany roa ao Miarinavaratra, Distrikan’i Fandriana. Efa tany an-toerana ve ianao ?
R.A : Eny, efa nidina tany tokoa izahay fa tsy nihaino feon-dakolosy tokana amin’ny maha vahoaka miaina ato amin’ny Faritra mikasika io harena ankibon’ny tany io. Ny mahagaga anie dia ravahin’ny sainam-pirenena Malagasy mihitsy ny fiaran’ireo vazaha mpitrandraka nefa tsy mahalala ny fisian’izany ireo mpitondra aty aminay. Nambaran’izy ireo rehefa nanontanianay mikasika ny fahazoan-dalana hanao fitrandrahana volamena ao fa mpitondra ambony amin’ny tetezamita mihitsy no naniraka azy ireo sy nanome alalana azy. 
 
TT : Atao ahoana ihany izany no hampandroso an’Amoron’i Mania ? 
R.A : Hamafisiko ny fitakinay ny hanoloana ny Lehiben’ny Faritra Amoron’i Mania. Miditra amin’ny fandraisana fepetra hentitra mikasika ny fifehezana ny harem-pirenena eto izay handimby azy sy ny mpanendry. Raha tsy tanteraka ireo dia horaisinay vahoaka ny fitantanana ny Faritra ka hataonay amin’ny fomba heverinay hahazoana izany. Rehefa tsy mandray andraikitra ny mpitondra dia tsara aminy ny miala eo amin’ny fitantanana mba hahafahan’ny vahoaka miaina am-pilaminana.
 
Nangonin’i Rado 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT