Vahinin’ny SOKELA amin’ity anio ity Rtoa Rakotomavo Lanto, Sekretera nasionalin’ny tanora malaGasy Vonona (TGV). Nametrahan’ny Tia Tanindrazana fanontaniana mikasika ny fifidianana, raharaha Lalao Ravalomanana, ny kiantranoantrano amin’ny tolotrasam-panjakana, ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny izy, araka izao manaraka izao.
Tia Tanindrazana (TT) : Nivoaka iny ny tetiandrom-pifidianana fa amin’ny 2013 avokoa ny fifidianana rehetra. Inona ny hevitry ny TGV ?
Rakotomavo Lanto (RL) : Taorian’ny fiovan’ny mpitantana ny firenena tamin’ny 2009 dia fantatra fa ny fifidianana ihany no lalana ametrahana mpitondra vaovao. Dingana lehibe izany no vita tamin’ny famoahana ireo datim-pifidianana ireo. Hatramin’ny 2009 izahay dia efa nangataka hatrany ny hisian’ny fifidianana faran’izay haingana mba tsy hitarazohan’ny tetezamita. Noho ny faniriana hisian’ny fifandaminana sy fametrahana fomba fiasa vaovao hitondrana ny firenena dia niezaka hatrany izahay nifampiresaka sy nifandresy lahatra tamin’ny ankolafy samihafa ka nahatongavana amin’ny fiaraha-mitantana ny Tetezamita. Tsy very maina anefa izay telo taona sy tapany lasa izay fa nitondrana fomba fijery vaovao itantanana ny firenena ka tsy hamerenana ny hadisoan’ny teo aloha intsony. Marihiko fa izahay dia nangataka ny hanafainganana ny fifidianana saingy nilaza ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny CENI-T fa io valo volana io no fe-potoana fohy indrindra ilaina amin’ny fanomanana. Manaiky izany izahay ary vonona hiatrika ireo fifidianana rehetra amin’ny 2013.
TT : Kandidan’ny TGV amin’ny fifidianana filoham-pirenena ve izany i Andry Rajoelina ? Nandrasana ny fanambarana izay tamin’ny fihaonambe tokony ho nataonareo tamin’ny jolay teo nefa toa tsy heno ny vokany ?
RL : Efa nanomana fihaonambe tokoa izahay tamin’ny volana jolay iny saingy noho ilay fampihaonana ny filoha teo aloha sy ankehitriny nokarakarain’ny Troika eo anivon’ny SADC dia tsy maintsy nahemotra ilay izy satria raharaha politika mifandray ireo. Hotontosaina ato ho ato io fihaonambe io ary mandritra izany tokoa no hamoahanay ny anaran’ny kandida TGV amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy ny fifidianana hafa amin’ny 2013.
TT : Araka ny nasehon’ny ankolafiny dia mbola madio ny “casier judiciaire” an’ny filoha Ravalomanana izany hoe afa milatsaka izy. Ianareo anefa dia efa nilaza hatrany fa efa olo-meloka izy ?
RL : Tsy misy milaza mihitsy ao anatin’ny lalam-pifidianana sy lalàmpanorenana fa valo volana mialoha dia tsy maintsy fantatra avokoa ny anaran’ny kandida mahazo milatsaka hofidiana. Tsy te hiditra amin’ny asan’ny fitsarana aho na koa hiresaka momba olona iray fa afaka miteny momba io resaka io amin’ny fotoana mahamety azy ity andrim-panjakana ity. Na izany aza dia tsy azo odian-tsy hita koa ny tantara nolalovan’ny firenena. Tsy azo ekena mihitsy mantsy izany mpitondra mangalatra sy mandainga ary mambotry ny firenena izany.
TT : Ny administratera sivily dia nilaza fa tsy misy fifidianana madio raha tsy soloina azy ireo ny lehiben’ny faritra izay notendren’ny FAT. Ny hevitrao ?
RL : Raha tena firenena demokratika dia ny mpanao politika no manao ny volavolan-kevitra itondrana firenena fa ny teknisianina no manatanteraka. Isika anefa izao anaty tetezamita. Ny fananana toe-tsaina madio sy ny faharesen-dahatry ny mpitondra amin’ny asa sahaniny no tena zava-dehibe fa na iza na izay mpitondra ka mbola hangalatra, handainga ary hamita-bahoaka dia mitovy foana ny vokany na administera sivily io tomponandraikitra io na olon-kafa ihany koa.
TT : Ahoana ny ahazoana antoka ary fa tsy hanaraka ny baikon’ny FAT izay nanendry azy ireo Lehiben’ny Faritra ireo amin’ny fifidianana ?
RL : Ny CENI-T anie no mikarakara ny fifidianana e ! Ny olona tsirairay koa dia samy manao politika avokoa ary mandainga izay milaza ny mifanohitra amin’izay. Tsy azo terena mihitsy ny olona hanala ao an-tsainy ny hevitra ara-politikany fa tokony haneho ny fahaizany ny asany kosa izy raha tomponandraiki-panjakana. Resaka fitondrantena io.
TT : Fanomanana ny fifidianana no andraikitry ny tetezamita. Ny FAT anefa manao tetikasa mandraikitra ny firenena sady ivelan’ny asa ary efa miendrika fampielezan-kevitra mihitsy aza ?
RL : Izay mihitsy ny fomba fisainana mila ovaina. Tsy hanao na inona na inona izany fa hatory ny mpitondra fanjakana ? Ny andraikitry ny minisitry ny asa vaventy izao dia ny manao lalana ka omena tsiny ve izany izy raha manamboatra lalana ? Ny fitokanana ireny fotodrafitrasa ireny angamba no tokony hifamerana ny fotoana hanaovana azy hialana amin’ny filazana fa fampielezan-kevitra no atao.
TT : Amin’ny maha Reny anao. Ahoana no fahitanao ny fandroahana nampiasan-kery natao tamin-dRamatoa Lalao Ravalomanana farany teo ?
RL : Mialoha ny hiresahana an’io dia iverenako kely ny zava-nisy teny amin’ny Episcopat tamin’ny 2009. Lasa sary raiki-tapisaka nentina nilazana fa fanonganam-panjakana no nisy teto ilay fihetsika nataon’ny Kolonely Charles Andrianasoavina. Voasaron’iny tranga iny ny tena zava-misy marina nandritra ny fihaonana tao anatin’ny efitrano fivoriana dia ny famindram-pahefana nankany amin’ny miaramila rehefa nametra-pialana ny mpitondra teo aloha. Tsy nisy miaramila namoaka basy anie tao anatin’ny fivoriana tao e ! Ilay sary manimba maso no toa voizina hanimbana firenena. Sahala amin’izay koa ity raharaha iray ity. Matoa misy ny fifampikasihana dia samy tomponandraikitra ny andaniny sy ankilany na dia ekeko aza fa tsy tokony hisy ireny. Ny tsara horesahana dia hoe afaka nody ve sa tsia tamin’iny vanimpotoana iny ny vadin’ny filoha teo aloha ? Aza hadinoina fa misy antony anie no nialan’izy ireo teto an-tanindrazana fa tsy hoe lasa niala sasatra akory e. Mbola ao anatin’ny fandaminana momba ny fiverenan-dry zareo izay isika izao. Fifandaminana izao no tokony himasoana fa tsy variana miady hevitra tsy mampandroso.
TT : Fitokonan’ny sendika etsy, hetsiky ny miaramila eroa, mihasahirana hatrany ny vahoaka. Tompon’andraikitra ny mpanao politika ary lohany amin’izany ianareo TGV izay mitantana ?
RL : Matoa tonga amin’izao isika dia noho ireny tolona ireny izay nikatsahana ny fanovana ny fitantanana ny firenena fa tsy ny tetezamita lavareny akory. Azonay natao ny nanao ampihimamba ny fitananana tahaka izay nataon’ny teo aloha fa tsy nanao izany izahay. Nijoro izahay niaraka tamin’ny filohan’ny tetezamita ka nametraka ny fiaraha-mitantana. Midika izany fa miara-tompon’antoka amin’ny zava-misy ankehitriny avokoa ny rehetra. Ny tena zava-dehibe dia ny faharesen-dahatry ny rehetra fa ilaina ny fanovana amin’ny fitantanana ny firenena sy ny raharaha politika. Tsy mety raha antoko tokana no manjaka eto ary noho izay antony izay no ampirisihanay ireo mpanao politika hafa tsy hiditra TGV fa hijanona amin’ny antoko nisy azy. Aleo ny vahoaka no hitsara izay hitany fa tena vonona hanarina ny firenena.
TT : Tsy mifanohitra amin’ny zava-misy ve izany teninao izany satria ireo parlemantera TIM sy minisitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana nisintaka lasa nanatevin-daharana ny TGV ?
RL : Ny mampalahelo sy mahagaga eto amin’ity firenena ity dia ireo miara-dalana sy miara-dia matetika no mifanenjika. Ny tena marina dia tsy fantatray intsony izay tena TIM satria miady ny anaran’ny TIM ry zareo. Matoa izahay namela azy ireo hiaraka aminay dia noho ny fahavononany hiroso sy ny faharesan-dahatra amin’ny fanovana ijoroanay. Ny fiarahana (alliance) ao anatin’ny resaka politika dia tsy maintsy misy ka izay mitovy foto-kevitra sy fomba fijery no miaraka.
TT : Manao ahoana ny fifampifehezan’ny antoko TGV satria misy ny disadisa anatiny raha tsy hilaza afatsy ny eo amin’i Maharante Jean de Dieu sy Tinoka Roberto ao Toliara ?
RL : Antoko vaovao vao natsangana ary tsy antokom-pianakaviana ny TGV. Tsy nisy nifankafantatra mihitsy izahay ireo taloha. Mazava ho azy fa olona samihafa avokoa izahay. Fifankazarana sy fifankahalalan-toetra no fandraisanay ireny lazainareo fa disadisa ireny. Izay manaiky ny rafitra no tafapetraka hatramin’ny farany. Nahita koa ianareo fa ny antoko rehetra dia misy foana ny adihevitra, izay no mampatanjaka azy. Misy koa anie antoko nilaza azy ho matanjaka nefa miparitaka tanteraka amin’izao.
TT : Voalaza fa lanin’ny TGV ny volan’ny Fanalamanga ary ny famoahana ny marina momba an’io no nanesorana ny minisitry ny tontolo iainana ?
RL : Izay mihitsy ny olana eto amin’ny firenena amin’ny alalan’ny fanaratsiana. Mangataka ny porofo izahay ary vonona hamoaka izany amin’ny haino amanjery.
TT : Nanenjehana ny filoha teo aloha ny fanaovana ampihimamba. Izao anefa Atoa Rasoamaromaka izay TGV no nahazo ny fanamboarana ny hopitaly ao Mahajanga. Manaiky izay ve aloha ianao ?
RL : Manamarina izany aho !
TT : Tsy endrika kiantranoantrano ve izany ?
RL : Tsy mety angamba raha manova ny fomba amampanaonao sy ny asa fivelomana ny fanaovana politika. Raha mahavita tsara izahay dia tsy misy antony anomezana azy ny vahiny. Aoka hotsaraina amin’ny asany ny olona fa tsy noho ny heviny. Nisy koa ny fanaikana tolobidy mazava tamin’ny fanomezana ny tsena. Mahabe resaka izy io kanefa aza hadinoina fa maro lavitra ny zavatra azo tsikafonina tamin’ny fomba fanaon’ny mpitondra teo aloha.
TT : Ny teninao farany ary ?
RL : Nivoaka io ny datim-pifidianana. Samy tokony hijoro avokoa izany ny antoko rehetra hiatrika izany. Izahay TGV dia efa vonona satria misy foto-kevitra tiany tanterahana eto.
Nangonin’i Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.