Vita ny momba ny vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana na ny CENI, vita ihany koa ny lalŕna mifehy ny fifidianana, samy efa nandalo ary nankatoavina teo anivon’ireo Antenimiera roa ireo.
Rehefa vita ireo, hoy Rakotomanjato Rodin dia atao izay hahaleo monina ny ankolafy Ravalomanana ka dia hatao daholo ity gidragidra rehetra ity. “Tsy hiala ao izahay raha izay no paika”, hoy ity CST avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity. Na inona resaka ambara na inona paika ataon’ny sasany, hoy ireo mpitarika ny tolona etsy amin’ny Kianjan’ny Magro Behoririka dia tsy maintsy miverina mialoha ny 29 febroary 2012 i Marc Ravalomanana. Toromarika nomena ireo mpandala ny ara-dalàna ny fiomanana sy fifanentanana amin’ny fitsenana ireo Raimandreny. “Tsy maintsy hisy “raha la terre” mialoha ny 29 febroary”, hoy ihany i Rodin Rakotomanjato. “Isika tsy mila rotaka satria ny zavatra tadiavin’ny FAT dia ny hisian’ny korontana hilazana fa tsy mbola milamina ny tany ka tsy afaka mody an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana”. “Mila mailo isika”, hoy koa ny CST Henri Randrianjatovo.
Tsy mila manala an-dRajoelina isika, hoy ihany izy fa miala ho azy eo io. Ankoatra izay momba ny resaka famafan-keloka na amnistia dia nambaran’ity CST avy any Faratsiho ity fa raha tsy hanao izany ny governemanta dia efa misy manomana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Izay no nahatonga ny fe-potoana farany ho 29 febroary, araka ny fanazavana ihany. Amina krizy toy izao manko, hoy izy, dia mitsangana ny Troika ka izy no mandidy sy manapaka. Miandry izay fandraisan’andraikitry ny Troika isika, hoy kosa ny CT Mamitiana Ravelonanosy ka dia eto koa no hitsarana raha mba misy finiavana politikan’ireo nifanaraka tany Pretoria. Efa tena mahantra manko ny Malagasy ka tsy tokony holalaovina intsony.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.