Vonona hanarina ny lesoka nisy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo ny Tiako I Madagasikara ao amin’ny Distrika Arivonimamo ary hanohana sy hampandany hatrany ny kandida atolotry ny antoko
. Antoko isany matanjaka any Arivonimamo ny Tiako I Madagasikara ary ny mponina ihany koa dia mbola resy lahatra tanteraka fa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no tena nahitan’izy ireo fivoarana sy fampandrosoana. Tontosa omaly talata 12 martsa ny fametrahana ny antotan-taratasy firotsahan-kofidian-dRakotomanjato Rodin, mitarika ny lisitra Tiako I Madagasikara amin’ny fifidianana solombavambahoaka ao Arivonimamo. « Mandataire » no nametraka ny dosie teo anivon’ny OVEC Arivonimamo, notronin’ireo mpiara-miasa akaiky aminy sy solontenan’ny vahoaka avy amin’ny Kaominina maro. Efa depiote teo aloha i Rakotomanjato Rodin, ary nijoro hatrany hio tan-dalàna, niaro ny hasin’ny Antenimieram-pirenena mba ho tena Lapan’ny demokrasia hanjakan’ny fahamarinana, tsy hisian’ny kolikoly indrindra niady ny tombontsoa tokony hositrahan’ny vahoakan’ny Distrikan’Arivonimamo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.