Hita avy amin’ny fanambarana nataon-dry zareo avy amin’ny fiaraha-monina sivily sy ireo manampahaizana mikasika ny fifidianana tao ho ao, hoy Rakotomanga Lanto, fa mijery ny vahoaka ry zareo.
Inona moa izao, hoy izy, no andrasan’ny vahoaka fa tsy ny fifidianana hialana amin’ny krizy ? Ka ho an’ireo olona rehetra mitaky ny tombontsoan’ny vahoaka dia tsy misy afa-tsy ny firosoana amin’io fifidianana io, ary izay ihany, no hampitsahatra ity krizy lavareny ity. Efa mipetraka ny CENIT, hoy ity CT TGV ity, efa mipetraka ny rantsamangaikany eny anivon’ny Distrika, efa hipetraka daholo ny eny anivon’ny Kaominina rehetra ka noho izany roso isika. Ka raha tena mila filaminana ny rehetra dia asehoy ny hery hoe iza no ho lany amin’ny fifidianana ?
Aleo ny vahoaka no hitsara fa ho an’ny mpitondra ankehitriny dia efa mazava ny resaka : hiala amin’ny tetezamita ka hiditra amin’ny Repoblika faha-4 amin’ny alalan’ny fifidianana isika dia aleo tokoa ny tantara no hitsara. Ny teninay dia hoe : aza zatra maneso sy mitsikera fotsiny ny hafa fa raiso ny anjaranao hatreny anivon’ny Fokontany raha tena tia tanindrazana marina ianao. Ny fanjakana efa vonona, ny mpanara-maso ny fifidianana efa vonona hatramin’ny volana jolay tamin’ny taon-dasa, amboarina fotsiny sy fenoina ny zava-drehetra fa tsy haverina izany.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.