Rakotomandimby Désiré

> Kandida depiote ao Ambositra


  • Alarobia 25 Septambra 2013


Atoa Rakotomandimby Désiré, mpikambana ao amin’ny kongresin’ny tetezamita, sady mpandrindram-paritry ny antoko TGV ao Amoron’i Mania, no kandida faha-26 sady farany nanatitra ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany ho solombavambahoaka tao amin’ny OVEC Ambositra ny alatsinainy 23 septambra teo. Ny vovonam-pikambanana «Miaraka amin’ny Prezida Andry Rajoelina» no nanolotra azy ho kandida ao Ambositra. Nambarany fa tsy kisendrasendra no nilatsahany fa efa tao anatin’ny fandaminana nataony manokana. Aminy dia tokony hiainga avy any ifotony ny fanaovana politika, toy ny dingana efa nolalovany izay efa lehiben’ny Fokontany, Ben’ny tanàna Ambositra-II nahavita fotoam-piasana telo, mpikambana tao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ary izao hanao solombavambahoaka hofidiam-bahoaka izao.

 

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT