Politique

Rakotomanana Honoré “Tsy nahay naka isa Rajoelina”


  • Alakamisy 02 Aogositra 2012

Mbola mitohy ny fanehoan-kevitra samihafa manoloana ny fandroahana hiala teto an-tanindrazana nampiasan-kery natao tamin-dRtoa Lalao Ravalomanana vadin’ny filoha teo aloha sy ny vinantovaviny ny zoma 27 jolay lasa teo.

 Ho an’i Honoré Rakotomanana izay mpahay lalàna dia diso paika ny fiadidiana ny tetezamita tamin’ny fihetsiny tamin’iny raharaha iny. Nambarany fa tokony ho navela namangy ny zanany sy ny reniny izay narary araka ny nambarany ramatoa Lalao Ravalomanana rehefa tonga teny Ivato ihany indrindra fa ny 31 jolay ihany dia efa hitodi-doha any Afrika Atsimo araka ny tapakilany. Setrin’izay anefa dia tokony ho nampitandremana mafy tsy hanakorontana izy raha tsy izay dia ampiharina aminy ny lalàna raha ny hevitry ny profesora Rakotomanana ihany. “Tsy misy mahafantatra izay fifanarahana tany Seychelles tany fa raha araka izay nambarako izay no natao dia nahazo isa “point” ny filoha Andry Rajoelina”.

Momba ny resaka fampihavanana indray dia nambarany fa tokony hivoaka amin’ity anio ity na alohan’ny faran’ny herinandro farafahatarany ny anaran’ireo mpikambana mandrafitra ny Komity mpanaramaso ny sori-dalana sy ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy. Ireto farany izay nomena fahefana manokana hisahana ny fampihavanana sy ny fanomezana ny famotsoran-keloka na tsia ho an’ireo izay mangataka izany. Karazany manome rariny ny FFKM tsy niditra anatin’ireo rafitra ireo ity filohan’ny Antenimierandoholona taloha ity satria raha tsy nahomby ny fampihavanana sahaniny dia mbola afaka manatanteraka izay ireo raimandreny am-panahy. 

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT