Nanaovan’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamony Jean Max sy ny filohan’ny Antenimierandoholona Rakotomanana Honoré angaredona, omaly, ny mpanao gazety.
Toa tetika efa nomanin’ny fanjakana anefa rehefa zohina, fa izy roalahy ireto fotsiny no natao fitaovana hitondra ny teny. Nanararaotra ny fotoam-panokafana ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Parlemanta izy ireo namantsipantsihana ny mpanao gazety malagasy. Ny teny Tsimbazaza, dia tany amin’ny fihetsik’olona mety nisendaotra no nitsongolohan’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamony Jean Max ka nanaovany an-garaba ny mpanao gazety rehetra nomelohina. Toa efa fanomanana ny saina fa dia holanian-dry depiote ambongadiny io Fehezan-dalana hifehy ny seraseran’i Andrianjato Vonison Zafindambo io. Nitohy teny Anosikely, ny tolakandro, ny vely kanota ny mpanao gazety ka ny filohan’ny Antenimierandoholona Rakotomanana Honoré indray no namelively nandritra ny fotoana lava. Nisafidy ny lalan’ny famakiana ady amin’ny mpanao gazety ireto filohan’ny andrimpanjakana ireto, fa izay no heverin’izy ireo hitondra any amin’ny fitoniana. Hadinon’izy ireo na fanahiniana nohadinoina fa mpanelanelana ny Vahoaka sy ny mpitondra, amin’ny fifampizaram-baovao ny mpanao gazety. Sa efa manangana efitra hitoka-monina tsy ho fanta-bahoaka ihany koa ny Parlemanta ? Nefa volam-bahoaka no mamelona sy mampihodina ny andrimpanjakana misy azy ireo ao. Tsy tokony hohadinoina ihany koa fa mpindrana fahefana ihany izy ireo fa tsy tompony.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.