Politique

Rakotomamonjy Phillipe “Governemanta vonjimaika no mijoro ankehitriny”


  • Zoma 23 Mey 2014

Betsaka ireo mpanara-baovao no mieritreritra fa tsy tena mahefa io governemanta mijoro ankehitriny io. Anisan’ny resy lahatra amin’izany Rakotomamonjy Phillipe, mpanohana ny fitondrana ara-dalŕna.

 Antony vitsivitsy no mahatonga azy hanana ity fomba fijery ity. Eo aloha ny tsy fahatanterahan’ny toromarika nomen’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny amin’ny firafitry ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Faharoa manaraka izay dia vao fampanantenana ny hiverenan’ny famatsiam-bola mialoha ny faran’ny taona 2014 no mivoaka amin’ny vavan’ireo mpiara-miombon’antoka amintsika. Farany nefa tsy latsa-danja dia toa hita ho mbola miana-draharaha ny ankamaroan’ireo minisitra notendrena ka miadam-piasa. Azo adika amin’ireo fanamarihana notanisaina teo ireo fa manantena fanendrena olona mahafehy tsara ary afaka hanatanteraka ny asa fampandrosoana an’i Madagasikara ny sehatra iraisam-pirenena vao hivoaka ny vola fanampiana antsika, hoy ny fanazavany. Momba ilay zava-nitranga teny Ankadimbahoaka dia mahita ihany koa izy fa tsy fotoanan’ny fampiasan-kery ny vanim-potoana tahaka izao. Efa mihamadio ny renivohitra, hoy ny tenany saingy lesoka ny fanangonana ireo fako ao anaty vata be toy ny eny amin’ny 67 Ha, izay sady manimba maso no ratsy amin’ny fahasalaman’ny mponina. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT