Politique

Rakotomamonjy Philippe Voatendry ho Distim ao amin’ny Boriborintany I


  • Alakamisy 07 Jolay 2016

Voatendry ho Distim ao amin’ny Boriborintany I eto Antananarivo Renivohitra ny alarobia heriny teo ny mpikambana TIM sady filoha lefitra teo aloha ihany, Atoa Rakotomamonjy Philippe,

   handimby an’Atoa Raharinosy Jacques izay niverina ho delegen’ity Boriborintany ity indray. Ny hamerina ny fifampitokisana eo amin’ny samy mpikambana eo anivon’ny antoko ao amin’ity Boriborintany voalohany eto an-drenivohitra ity no tarigetra himasoako voalohany, hoy izy, tamin’ny firesahana fohy tamin’ny Tia Tanindrazana afak’omaly. Sedra voalohany ho azy, araka izany, ny nitarihany an’ireo mpikambana TIM maro teny amin’ny fihaonana tamin’ny filoha nasionalin’ny TIM, Marc Ravalomanana mivady,  teny Ankadikely Ilafy tamin’ny sabotsy lasa teo  hamaritana indray ny fiarahana manarina avo ny fiainan’ity firenentsika ity miaraka amin’ny taona 2018. Fiarabe fitaterana niisa 8 no natolony maimaimpoana nandehanan’ny mpikambana TIM ao amin’ny Boriborintany I namonjena ilay toerana.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT