Raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao no jerena, hoy Rakotomamonjy Philippe Auguste filohan’ny Dis Dada ao amin’ny boriborintany voalohany eto Antananarivo Renivohitra, dia hitako fa tahaka izay niseho tamin’ny fanasoniavana ny tondrozotra ireny ihany no hafitsok’ireto vahiny mpanelanelana eto amintsika ireto. Izy ireo ihany no namolavola an’iny nefa aiza izay fampiharana ny fifanarahana teo ? Leom-boananan’ny omaly izahay, hoy ity mpitari-tolona ity, satria raha ny marina dia efa notetehan-dry zalahy hatramin’izay mihitsy ny tsy hahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana. Ka mampanahy anay izany. Herinandro monja aty aorian’ny fanambaran’ny prezidà ny zava-nisy tany Windhoek dia mandeha sahady ny fandrahonana hisamborana azy. Ka inona, hoy Atoa Philippe Auguste, no fampihavanana hisy amin’izany ?
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.