Nanamafy i Lalaina Berthnčs, mpikambana ao amin’ny « Conseil d’orientation » ny antoko Leader Fanilo fa naato tamin’ny andraikiny ireo mpikambana tao amin’ny « Bureau national de coordination » tarihin-dRakotomamonjy Jean Max.
Hitsangana amin’ny herinandro ho avy io, araka ny fanazavany ny birao vonjimaika hitantana ny antoko hatramin’ny desambra 2017 hanatanterahana ny filankevi-pirenen’ny antoko hifidianana ireo mpikambana handrafitra ny « Bureau national de coordination » vaovao hitondra ny Leader Fanilo.
Nampahatsiahy ity filohan’ny filankevitry ny tanànan’Antananarivo tamin’ny andron’ny Ben’ny tanàna Guy Willy Razanamasy ity fa misy ny fitsipika mifehy ny antoko, ary manana etika araka ny namoronan’i Herizo Razafimahaleo azy. Tsy nanaja izany ny BNC tarihin-dRakotomamonjy Jean Max ka nitarika ny « Conseil d’orientation » hampiato tamin’ny andraikiny azy ireo. Nanamafy i Lalaina Berthnès fa manomboka izao dia « tsy manana zo hiteny amin’ny anaran’ny Leader Fanilo Rakotomamonjy Jean Max fa amin’ny anaran’ny tenany manokana ».
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.