Niala tamin’ny fahanginany ny Birao nasionaly mpandrindra ny antoko Leader Fanilo, tarihin-dRakotomamonjy Jean Max, manoloana ny vaovao niely an-gazety sy tamin’ny haino aman-jery fa naato tamin’ny asany izy ireo,
araka ny fanambarana nataon’ny « Comité d’orientation » ny faran’ny herinandro teo. « Voafidy tamin’ny fomba demokratika ny birao nasionaly tarihiko, taorian’ny fifidianana natao tamin’ny 12 desambra 2012 nandritra ny filankevitra nasionaly, ary dimy taona no faharetan’ny fe-potoam-piasanay, tapitra amin’ny 12 desambra 2017 », hoy izy ka « mbola mijoro, miasa, ary mandray anjara amin’ny fiainam-pirenena sy ny fifidianana isan-tsokajiny ny Leader Fanilo. Fanambarana izay nohamafisin’ny Sekretera jeneralin’ny antoko, Rabeharisoa Eric, fa olona tsy mahavita adidy fototra tokony hataony amin’ny maha mpikamban’ny antoko ireo olona nanao fanambarana, ary tsy manana zo hanapa-kevitra, araka ny andininy faha-4 andalana faha-2 amin’ny fitsipika anatiny mifehy ny Leader Fanilo. Nahitsy ny tenin’ny solombavambahoaka voafidy tany Vangaindrano, Razafimily Constance, fa « mpisoloky » ireo olona nanao fanambarana ireo, ary tsy mendrika hanome lesona amin’ny fanajana etika. Nanampy izany ny minisitry ny serasera teo aloha sady mpikambana ao amin’ny birao politikan’ny antoko, Reboza Cyrille, nilaza fa « olona tsy sahy misedra fifidianana » ireo be resaka any ambadika any mandoto ny antoko ireo. Ny nandrotsahana ny vadin-dRakotomamonjy Jean Max ho lohalisitry ny Leader Fanilo tany amin’ny faritanin’Antsiranana, tamin’ny fifidianana senatera farany teo no nanakianan’ny « Comité d’orientation » ho tsy manaja etika, ka nampihatonany ny Birao nasionaly mpandrindra tarihin-dRakotomamonjy Jean Max. Nahitsy anefa ny valin-kafatr’ity farany fa izy ireo no mitondra hatramin’ny desambra 2017. Na izany aza, nilaza izy fa tsy manilika fa misokatra hatrany amin’ny fifampiresahana. Nentiny ho porofo ny fiarahany miasa amin’i Toto Alphonse, izay mpifaninana nivantana taminy tamin’ny 2012 nananganana ny Birao nasionaly mpandrindra ny antoko.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.