Politique

Rakotomalala Rivoniaina Rija « Mbola TIM ary maniry ny hitantana azy raha ilaina »


  • Zoma 12 Aprily 2013

Rakotomalala Rivoniaina Rija, mpanoratra sy mpanangon-javatra taloha, mpanao politika mpitari-tolona sy mpikambana ao amin’ny Tiako i Madagasikara, filohan’ny fikambanana Vami ary olom-pinoana mpandray andraikitra ao amin’ny Fjkm Ankadifotsy no vahinin’ny Sokela anio. Antsoin’ny maro amin’ny hoe prezidà izy satria efa filoham-pokontany naharitra tao Ankadifotsy Befelatanana.

 Tia Tanindrazana(TT) : Inona amin’ireo voalaza tamin’ny fanolorana teo ireo no tena mampalaza anao prezidà Rija ?

Rakotomalala Rivoniaina Rija (RRR) : Izaho tsy hoe malaza fa misikimponitra amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fampandrosoana ny fireneko.

(TT) : Nefa homenao lanja bebe kokoa ankehitriny ny fampirantiana ireo zavatra nangoninao taloha ?

(RRR) : Satria ireo zavatra ireo dia hanomezako voninahitra an’Andriamanitra ary anjara biriky entina mampandroso ny tanindrazana.

(TT) : Nefa ho an’Antananarivo irery fa tsy tonga any amin’ny Faritra hafa ary mba nahazoan’ny mpitsidika tombony ve hatramin’izay ?

 (RRR) : Maro ireo olona niantso ahy sy nilaza nivantana raha nifanena tamiko fa nahazo tombony tokoa tamin’izay hitany sy noraisiny teto. Be tokoa ny avy any amin’ny Faritra mandalo eto Iarivo no mangataka ny hitondrana azy ity any amin-dry zareo ka efa vonona amin’izany izahay fa miandry hoenti-manana kely satria bebe ihany ny fandaniana hitondrana itony sangan’asa itony amin’izany.

(TT) : Ilay fanangonana natao moa azo ambara fohy ve taiza avy no nahazoana azy ?

 (RRR) : Tena fiainako mihitsy ny fanangonana ireo zavatra harantiko ireo hatrany am-pitandranomasina nalehako tany. Nanefy sy nampianatra ary nampiala voly ahy ireo ka mba tiako hozaraina amin’ny Malagasy havako. Raha ny marina dia lova ny fanangonana nataoko satria ny reniko dia mpanangona an’ireny “porte-clés” samihafa ireny ary ny dadako kosa mpanangona vola madinika samihafa. Tahaka ny fanoratana tononkalo anefa dia talenta avy amin’Andriamanitra avokoa ireny.

(TT) : Taiza ho aiza no tonga taminao ny resaka politika ?

 (RRR) : Izahay 4 mirahalahy iraitampo dia notazaina hatramin’ny fahakely hoe manao zavatra ho an’ny tanindrazana sy ny mpiara-belona. Izay no antony nandraisako  andraikitra nitantana vahoaka (filohana fokontany sy delegué au maire). Ary ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny vao nanomboka nanao politika dia niantso ny rehetra izay vonona hampandroso ny firenena. Nanaitra ahy izany ka niditra mpikambana TIM aho izay antoko politika hany nidirako hatreto ary mbola misy ahy. Mpiandraikitra tao mihitsy ao fa filohan’ny FokoTim dia avy eo SG DisTim dia filohan’ny vaomiera nampandany ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny fifidianana natao tamin’ny taona 2006.

(TT) : Taiza ho aiza tamin’ny tolona nanomboka 2009 ka hatramin’izao ?

 (RRR) : Izahay mpitarika tsotra tamin’izany no nitarika ny tolona teny Mahamasina sy Ambohijatovo vao nijapy masinina ny mpanao politika gaigilahy sy ireo parlemantera sasany. Nitarik’olona hatreny Ankorondrano izahay ka hatreo Behoririka. Izaho kosa anefa tsy nankasitraka ny fifanarahan’i Maputo sy ny fiaraha-mitantana atao ankehitriny satria heveriko fa famadihana ny tolona izany ka tsy niditra tamin’ny rafitra n’aiza n’aiza intsony ny tenako (raha nisy raim-pianakaviana notafian’ny mpangalatra ve, hoy ianao, dia ity farany indray no hiantso azy hiaraka hizara sy hitantana ny fananany azy manokana teo aloha dia mety aminao izany ?)

(TT) : Hitondra vahaolana ve izany hevitrao izany nefa ny namanao Vami misy mifandray tanana amin’ny mpitondra tetezamita ?

 (RRR) : Izaho amin’ny maha Rakotomalala Rivoniaina Rija ahy dia mitana ny fotokevitro hatramin’ny farany aho dia ny famerenana ny filoha Marc Ravalomanana ary manohitra tanteraka ny fanonganam-panjakana, ahy manokana izay. Fa ireo namana ao anaty fikambanana kosa rehefa tsy miteny amin’ny anaran’ny Vami dia malalaka amin’ny hetsika ataony izy. Fa ny fotokevitra, haveriko ihany, dia hoe : miverina ny filoha Marc Ravalomanana ary mbola ampiako aza hoe : tokony hirotsaka hofidiana indray izy fa manana traikefa amin’ny fitantanana firenena, sady mbola salama tsara ary teo amin’ny fitondrana no naongana ka manan-jo hiverina amin’ny toerany araka izany fa ny vahoaka no tompon-tsafidy.

(TT) : Tsy tao anaty rafitra ianao dia inona no mba hanatanterahanao ny fotokevitra ?

 (RRR) : Ny zavatra nataoko voalohany dia nivavaka hoan’ny filoha Ravalomanana ary nanome tolokevitra azy fa izaho irery tao anatin’ny tolona natao tao anaty 4 taona no nahasoratra boky nilaza ny zava-bitan’ity lehilahy ity ka naely patrana nanerana ny Nosy (Tsy maintsy miverina i Dadanay, Amboara tononkalo 2009, Io ilay lehilahy tena izy). Fantatry ny filoha Ravalomanana ny fisian’ireo ary izaho mihevitra fa tafita any aminy ny hafatra matoa izy nanapakevitra fa tsy hanolotra kandidà raha tsy tafaverina eto an-tanindrazana.

(TT) : Dia ahoana ny amin’ireo mpitari-tolona anaty fanjakana ?

 (RRR) : Tsy hilaza zavatra betsaka aho fa iaraha-mahita ny zavatra tsy mbola tontosa (fameranana ny sesitany, famoahana haino aman-jery nakatona, famoahana gadra politika). Vao mainka niteraka krizy hafa indray ny fidirana tao anaty rafitra tetezamita tao ary nanome vahana ny mpanongam-panjakana aza rah any marina. Izaho dia mihevitra fa olon-kafa ankoatra an’ireo efa nitantana tao amin’ny tetezamita ireo no tokony hatolotry ny filoha Marc Ravalomanana ho fidiana hatrany amin’ny rafitra rehetra hiatrehana fifidianana, fa ireo efa karazan’ny reraky ny tolona. Nisy ireo tena nifampitana nivantana tamin’ny Tgv hatreny Ambohijatovo fa ny ankamaroan’ireo dia nivoaka avy any ambany farafara niafenany tany. Ka aoka tsy hisy hamita-bahoaka fa aoka samy hirotsaka amin’ny anaran’ny tenany dia ho hita eo.

(TT) : Mbola misy teny farany tianao ambara ve ?

 (RRR) : Izaho dia marihako fa mbola mpikambana TIM Ravalomanana hatramin’izao na tsy mankeny an-kianja aza, ary tsy misy afaka manala ahy amin’izany raha tsy misy fifidianana vaovao. Ka ho avy izahay amin’ny kongresy ary ho antsoin’ny filoha mpanorina ny TIM. Inona moa no olana raha mba miditra hitantana ity antoko ity izahay raha ilaina izany ?

 

Nangonin’i Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT