Politique

Rakotomalala Henri “Olon’ny HVM avokoa ireo notendrena”


  • Alakamisy 14 Septambra 2017

Manaiky sy manaja ny fijoroan’ny CFM (Conseil du Fampihavanana Malagasy) ny FEDEP (Fédération des Ex-Détenus Politiques de Madagascar)

na tsy voahaja hatrany amin’ny fikaonan-doha notanterahana teny amin’ny CCI Ivato aza ireo fepetra samihafa tamin’ny fananganana ity rafi-panjakana ity, hoy ny filohany Rakotomalala Henri na Riribe. “Tsy ho tratra ilay tanjona fampihavanam-pirenena tena izy tsy hiverenan’ny krizy eto amin’ny firenena intsony raha izao zava-misy izao”, hoy ny FEDEP. Nanjaka tanteraka mantsy ny fifidianana olona tamin’ny fanendrena azy 33 mianadahy mianaka izay tsy maintsy nandalo sivana teo anatrehan’ny mpitondra fanjakana mialoha ny fankatoavan’ny filohan’ny Repoblika. Raha tsorina, akamakama sy olona akaiky afaka miara-miasa sy mandray baiko avy amin’ny fitondrana Hery Vaovao ho an’i Madagasikara no voafidy handrafitra ny CFM, hoy i Riribe. Tranga mampalahelo manokana kosa ny fahitana ao anatin’io filankevitra io ampahany betsaka amin’ireo mpikambana nametraka tantara ratsy teto amin’ny firenena, izany hoe mila hampihavanina ihany koa. Misy amin’izy ireo rahateo no mbola manana dosie eo anivon’ny Bianco sy ny fitsarana, araka ny fanamarihany.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT