Izahay tantsaha no nofantsihana tamin’ireny vary nolazaina fa ho 500 ariary ireny ny kilao fony teny an-kianjan’ny 13 mey.
Efa naika tsy nihinan-kanina ny Malagasy satria sady mando ny saribo no tena lafo fa tapaka ny lalana ka fanontanina no apetraka amin-dry Andry Rajoelina sy ny forongony : tsy azo hanina ve ny lalana ? Fiovana nampitondra faisana ny tantsaha no nentin’ny FAT ary any Ankazodandy misy anay dia 35 % sisa ny ankizy nanohy ny fianarany. Tsy sazy no ilaina omena an’ireo FAT ireo, hoy ity tantsaha ity, fa miala tsy misy fepetra. Tsy ny tondrozotra no ratsy, hoy izy, fa ny fampiharana azy. Tsy diso anjara amin’ny fanaraham-baovao mavaivay eto amin’ny firenena ny eny Behoririka isan’andro.
Nambaran’i Guy Roger àry fa hatramin’ny miaramila ankehitriny dia mivaka roa. Na hanao i Andry na tsy hanao « amnistie” tsy maintsy vita io, hoy izy, tsy ho an’ny filoha Marc Ravalomanana anefa izany fa ho an’ny namana rehetra toy anay nogadraina na noloto dosie tamin-javatra tsy rariny sy tsy natao akory. Mba hampiaro amin’izay ny fitsarana tsy mitanila fa izany no lokalokainareo FAT ê ! Mankasitraka ny fihaonana etsy sy eroa izahay kanefa raha mivoana amin’ny soridalana dia tsy namana aloha ireo satria Ravalomanana mody ihany no ilaina. Saika niompana tamin’ny fanentanana ny fankalazana ny 8 martsa avokoa ny votoatin’ireo kabary sisa taorian’izay : “mila tonga eto amin’ny Magro daholo ny vehivavy mandala ny ara-dalàna ary hotronin’ny lehilahy, hoy i Navalona. Tsy ny vary no tenenina ho 500 ariary tany amin’ny 13 Mey fa ny saribô, hoy izy. Eto amin’i Magro ihany no famerenana any Dada sy faniliana ny mpanongam-panjakana ary aza tsotra loatra ianao ry PM fa ampiasao ny fahefanao. Samia mitaky ny zony fa nahazo ny azy ny miaramila, hoy i Manoela. Mampalahelo ny olona nianatra ela, hoy izy, nefa tsy tafita fa tsy manambasy.
Mangina i Andry satria sahirana. Ento amin’ny lalamby ny solika dia mora ary Ravatomanga no « actionnaire majoritaire » ao amin’ny Madarail. Eto amin’ny Magro ny vehivavy CT fa tsy hiara-dia amin’i Mialy Rajoelina rahampitso 8 martsa, hoy ny CT Rasoanoromalala Horace. Hiavaka ny andron’ny zoma 9 martsa, hoy ny vehivavy mpitolona Sahondra sy Viviane satria hisy hetsika fanolorana ny tsirambin’ny tanana hoan’ireo traboina ao Amboditsiry ho tarihan’n ministra ny fiompiana ary fambolen-kazo eny Imerinkiasinina ho tarihan’ny FIFAR 192. N’aiza n’aiza haleha dia manembona sy mahatsiaro an’i Dada avokoa ny vahoaka, hoy i Naly, tsy voafafa ny zavatra vitany ary raha teo izy efa niadana i Madagasikara. Mila vitainy ny zavatra nokasainy ary teneno n’aiza n’aiza fa raha teo izy hafa ny fiainana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.