Tsy nampiraika ny mpomba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny resabe nateraky ny fanambarana nifanipaka tamin’ny fehin-kevitry ny filankevi-pilaminana sy fandriampahalemana (CPS) eo anivon’ny Vondrona Afrikanina, momba ny raharaha Madagasikara, nataon’ny minisitry ny raharaham-bahiny tanzanianina tonga teto ny talata teo.
Nitondra fanazavana momba ny fomba fiasan’ny Vondrona Afrikanina sy ny rafitra ao aminy ny ambasadaoro Malagasy
teo anivon’ny Vondrona Afrikanina, Rakotoarivony Jean Pierre ka nampahatsiahivany fa zana-bondrona ao ny SADC sy ny COMESA ary ny CEDEAO. Ny «principe de subsidiarité», hoy Rakotoarivony Jean Pierre dia milaza fa ny vondrona aty ambany dia tsy maka fanapahan-kevitra avy hatrany fa tsy maintsy amin’ny vondrona lehibe dia ny Vondrona Afrikanina. Ny 20 martsa 2009, hoy izy no nanapahan’ny Vondrona Afrikanina fa nahantona tsy ho mpikambana ao i Madagasikara noho ny fanonganam-panjakana nitranga teto. Sazy amin’ny maha fanjakana io ka foana avokoa ny tombontsoa rehetra tokony ho an’i Madagasikara. Tamin’izay koa no nanapahana fa saziana ireo olona 109 nandray anjara tamin’izany fanonganam-panjakana izany. Sazy iraisam-pirenena ireo, araka ny fanazavana ihany. Nanamafy, araka izany, ity ambasadaoro teo aloha ary mpikambana ao amin’ny CST ity fa mpanapa-kevitra ambony ny CPS. Izany no nilazan’ny CPS tamin’ny fehin-keviny tamin’ny 13 febroary fa tokony hanao tatitra aminy momba ny fampiharana ny sori-dalana ny SADC hahafahana mijery ny momba ny sazin’i Madagasikara. Manana hatramin’ny voalohan’ny volana aprily ny SADC hanaovana izany, hoy izy. Niantso ny rehetra ho tony Rakotoarivony Jean Pierre tsy hanaiky hokorontanin’ny olona ny saina.
Rehefa vita ny fampiharana ny sori-dalana izay vao miresaka fifidianana, hoy izy ary ny ahitana fa mihatra tokoa ny sori-dalana dia ny fahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana sy ireo sesitany politika rehetra eto an-tanindrazana. Manoloana izany dia nitaona ireo mpiaradia aminy ny tenany hiomana, tsy hisalasala fa tsy maintsy tonga eto i Marc Ravalomanana ka tokony hovelomina avokoa ny rafitra rehetra, eo koa ny fijerena akaiky ny fisoratana anarana anaty lisi-pifidianana. Mila atao masaka tsara ny fifidianana, hoy izy fa tsy maintsy tafaverina eto ny filoha.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.